Madatopinfo

 Flash Info

PFSCE: Nanamarika ny andro manerantany ho an’ny ankizin’ny lalana

PFSCE: Nanamarika ny andro manerantany ho an’ny ankizin’ny lalana

PFSCE: Nanamarika ny andro manerantany ho an’ny ankizin’ny lalana
avril 12
14:30 2022

12 Aprily, andro hanamarihana ny andro manerantany ho an’ny ankizy mirenireny an-dalambe, « Izaho dia ankizin’ny lalana dia maniry mba ho arovana »no lohahevitra noraisina tamin’ity taona ity ho an’i Madagasikara. Ho an’ny Plate Forme Société Civile pour l’Enfance (PFSCE), teny amin’ny Motel Anosy no nanatanterahana ny fankalazana tamin’ny alalan’ny dinika an-databatra boribory niarahana tamin’ireo mpisehatra isan-tsokajiny. Nahafahan’ireo mpisehatra mahafantatra ny anjara asany, manatsara ny andraikitra momba ny fandraisana an-tanana ireny ankizin’ny lalana ireny ity dinika ity. Raha ny fanadihadiana voarain’ny PFSCE, lasibatry ny herisetra samy hafa ny ankizy mirenireny an-dalambe ary voailikilika eny anivon’ny fiaraha-monina. Raha ny atontan’isa voaray nandritra ny ezaka vaksiny Polio notanterahan’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, nahatratra 12.000 ireo ankizin’ny lalana latsaky ny 15 taona teto Antananarivo renivohitra nandritra ny 3 taona nifanesy, 2016 ka hatramin’ny 2018. Inoana anefa ny fiakaran’io atontan’isa amin’izao fotoana izao io noho ny takaitra navelan’ny krizy ara-pahasalamana nitranga teto amin’ny firenena amam-bolana maro, eo ihany koa ny tsy fisitrahan’ny olon’ny lalana ny fandrindram-piterahana ka mampitombo ny zaza ateraka. « Ankoatra izay, lasa fitaovana entina mitady vola ny zaza sy ny ankizy satria rehefa handeha hangataka eny an-dalambe ny ray aman-dreny matetika mitondra zaza foana », hoy ny Filohan’ny PFSCE, Nomenjanahary Ando Mampionona. Na dia eo aza anefa izany, manamafy hatrany ny fiarovana azy ireny ireo mpisehatra isan-tokony, isan’izany ny fisian’ny tetikasa Sandratra izay ivondronana fikambanana miisa 4. Misy ny ivon-toerana mandray an-tanana ireo ankizy eny amin’ny lalana ka raisina an-tanana ny fanabeazana, eo ihany koa ny famerenana ny ankizy any an-tsekoly sy ny fikarakarana ny maha olona amin’ny ankapobeny, ny fampiofanana arak’asa ho an’ireo tanora ary indrindra ny tan-tsoroka sy torolalana ho an’ny ray aman-drenin’izy ireo. Tanjon’ny tetikasa Sandratra ny hisitrahan’ny ankizy 1.600 amina tokantrano 500 ny fandraisana an-tanana. Maharitra 3 taona ny tetikasa, ary ho tapitra amin’ity taona 2022 ity, vinavina ny hanitarana izany indray amin’ny taona ho avy raha ny nambaran’ny solontenan’ireo mpandrindra ny tetikasa Sandratra.

Mickah R.

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031