3M PUBLISHING: Hivoaka isaky ny telo volana ny gazetiboky kristiana « Fahano »

Ho fampiroboroboana ny kolontsaina famakiam-boky eto Madagasikara sy amin’ny maha vavolombelon’ny tantara ny boky, namokatra gazetiboky mitondra ny anarana hoe: « Fahano ny saina sy ny fanahy » ny 3M amin’ny alalan’ny 3M Publishing. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, ny talata 4 Febroary teny amin’ny foiben-toerany eny Ambatoroka ny laharana 0 amin’ny Fahano. « Isan’ny tombony amin’ity gazetiboky kristiana ity ny endriny, mora entina amin’ny toerana rehetra, mora vakiana ihany koa izany satria natao ho teny azon’ny malagasy hatramin’ny voambolana nampiasaina ary mifandanja ny soratra sy ny sary », hoy ny Filoha mpanorina ny 3M, Pasteur Faly Ravoahangy. Nambarany fa tsy mifidy antokom-pinoana na fiangonana ny Fahano izany hoe azon’ny rehetra jifaina. Ankoatra ny eny amin’ny foiben’ny 3M, ahitana azy eny amin’ireo fiangonana mpiara-miasa amin’ny 3M, misy ihany koa ny pejy facebook 3M Publishing ahafahan’ny mpanjifa manafatra avy hatrany.
« Karazan-dahatsoratra maro samy hafa no hita ao anatin’ny pejy 48, toy ny teolojika, ny tononkalo,sakafom-panahy, ny tondroboky, dokam-barotra sy fampahafantarana orinasa na mpandraharaha kristiana ary ireo hetsika kristiana, », hoy ny tonian-dahatsoratry ny Fahano, Meva Rabenja. Mibahan-toerana ao anatin’io gazetiboky io moa ny fiteny malagasy, fa misy ihany koa amin’ny fiteny vahiny.
M.R