Madatopinfo

 Flash Info

VOLY AVOTRA AMBANDRIKA AMBATONDRAZAKA : Lo am-pitoerana ny « poivron » noho ny coronavirus

VOLY AVOTRA AMBANDRIKA AMBATONDRAZAKA : Lo am-pitoerana ny « poivron » noho ny coronavirus

VOLY AVOTRA AMBANDRIKA AMBATONDRAZAKA : Lo am-pitoerana ny « poivron » noho ny coronavirus
mai 11
10:41 2020

Vitsy ny  mpandraharaha ara-toekarena mpanangom-bokatra avy any Antananarivo  no tonga any Alaotra ka simba ny entana, tahaka ny « poivron ». Fatiantoka no hitan’ireo tantsaha mpamokatra voly avotra any amin’ny kaominina Ambandrika, distrikan’ Ambatondrazaka, faritra Alaotra Mangoro amin’izao fotoana hisian’ny valan’aretina covid 19 izao. Araka ny fitarainan’ny mpamboly « poivron » iray,tsy mahaleo ny sarany ny vidiny izany hoe betsaka ny vola lany manomboka amin’ny fikarakarana ny tany hatramin’ny fihotazana ny vokatra. Tena ambany be anefa ny vidiny. Mbola olana goavana ihany koa ny famoaham-bokatra nohon’ ny tsy fahafahan’ireo mpaka ambongadiny ao Anosibe Antananarivo izay mbola tsy maintsy manaraka ireo fepetra hamehana ara-pahasalamana. Vitsy ny fiara afaka mitatitra entana ka voafetra ihany koa ny entana tafavoaka. Tsy azo tehirizina nefa ireo vokatra fa mora lo sy simba ka miafara amin’ny fanariana azy. Mitombo ihany noho izany ny fatiantoka ho an’ireo mpivelona amin’ny sehatry ny fanaovana voly avotra. Tena mahavelona tsara nefa ny asa fambolena raha ara-dalana avokoa ny zavatra rehetra indrindra fa ny vidiny. Azo heverina nefa fa maro ny faritra mila ny vokatra toy izao ka miandrandra ny manampahefana hamaha ny olana.
Fy RANDRIA.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930