Madatopinfo

 Flash Info

ZONE FORELLO TANJOMBATO : Manohana ny FIA andiany fahadimy ny MVola

ZONE FORELLO TANJOMBATO : Manohana ny FIA andiany fahadimy ny MVola

ZONE FORELLO TANJOMBATO : Manohana ny FIA andiany fahadimy ny MVola
septembre 21
11:43 2023

Manomboka ny alakamisy 21 ka hatramin’ny alahady 24 septambra ny adiany fahadimin’ny FIA na ny Foire Internationale de l’Agriculture izay tanterahana eny amin’ny Zone Forello Tanjombato. Ahitana tranoeva manodidina ny aman-jatony mandray anjara amin’io foara hanasongadinana ny lalam-pihariana fambolena. Ho an’ny MVola manokana izay mpanohana ity hetsika goavana momba ny famokarana ity mandritra ny 4 andro. Fanindroany misesy amin’ity taona ity ny handraisan’ny MVola anjara, manohana ny tetikasa fandraharahana sy misehatra amin’ny fanomezana vahaolana amin’ny alalan’ny tolotra ara-bola mifanaraka amin’ny filan’ny mpanjifa. Ny FIA rahateo dia hampivondronana ireo tantsaha, mpandraharaha ary mpikirakira eo amin’ny sehatra famokarana.
Mandritra ity foara ity, ny MVola dia misy ny tolotra MVola to Bank sy Bank to MVola amin’ny taha ahazoana tombony 1%, eo ihany koa ny serivisy M-Agri izay natokana indrindra ho an’ny mpandraharaha sy matihanina amin’ny sehatry ny fambolena.
Ankoatra izay, hampiavaka ny fandraisan’ny MVola manohana ny FIA andiany fahadimy ny fisian’ny tolotra BtoB isan-karazany hanampiana amin’ny fitantanany ara-bola. Isan’izany ny fampidirana vola toy ny fandoavam-bola eny amin’ny « caisse », fandoavam-bola an’habaka miaraka amin’ny fampiharana ny MVola API, ny Simple Pay. Ho an’ny vola mivoaka kosa toy ny fandoavana ny karaman’ny mpiasanao, ny fitantanana ny faktiorao, ny fandoavana ny hetra sy ny latsakemboka, ny karatra Visa MVola. Hofamatsiam-bola ny tetikasa, misy ihany koa ny MVola Avance izay hahafana mindrana hatramin’ny 1 tapitrisa Ariary. Raha ho an’ny fanjohiana ny fivezivezen’ny vola, misy ny atao hoe : « MVola Selfcare ».
 » Hiaraha-mahafantatra ny olana ara-bola atrehin’ny tantsaha sy ny mpandraharaha ara-pambolena, ary reharehan’ny MVola ny fanomezana vahaolana
natao hanampiana azy ireo mba hiroborobo
« , araka ny fanazavan’i Ericka Verly, Directeur de l’Unité Partenariat. Amin’ny fandraisany anjara amin’ity Foara ity, manome lanja manokana ny tantsaha sy mpamokatra monina any amin’ny faritra lavitra ny Mvola. Tsiahivina fa efa maherin’ny 8 tapitrisa ny mpanjifany manerana ny Nosy ary tsy mitsaha-mivoatra ny tolotra
fitehirizana sy findramam-bola ary ny fiantohana. Ny taona 2018 no lasa « 1er Ztablissement de Monnaie Eléctronique (EME) » eto Madagasikara ary voahosotra ho banky nomerika voalohany eto Madagasikara tamin’ny taona 2021. Tamin’ity taona 2023 ity kosa no lasa FinTech voalohany miasa any amin’ny Ranomasimbe Indianina nahazo mari-pankasitrahana B Corp ny MVola.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930