Madatopinfo

 Flash Info

NICOLAS DUPUIS : Irin’ireo firenena hafa fatratra ho mpanazatra ny ekipany

NICOLAS DUPUIS : Irin’ireo firenena hafa fatratra ho mpanazatra ny ekipany

septembre 10
21:37 2021

« Tsy lavina fa maro ny firenena miantso ahy ho mpanazatra ». Io no fanambaran’i Nicolas Dupuis, teto Morondava izao zoma 10 septambra alina izao, nandritra ny tafa manokana nifanaovany tamin »ireo Mpanao gazetinay. Nilaza izy fa mitohy hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny Fitondrana Malagasy. Nohamafisin’ny Minisitry ny Fanatanjahantena sy ny Tanora, Hawel Mamod’Ali, teto amin’ny renivohitr’i Menabe moa fa ny anton-dian’izy ireo amin’ny fiarahana aty Morondava dia ho amin’izay fitohizan’ny fiaraha-miasa izay. « Mijery ety ifotony ho amin’ny fikolokoloana ireo tanora Mpanao baolina kitra no mahatonga an’ny coach teo aloha Dupuis miara-dia aminay izao » . Hoy ny Minisitry ny Fanjanahan-tena sady mpiahy ny Faritra Menabe. Nisafidy ny tsy hamaly ny fanontaniana mahakasika ny fanirian’ny mpankafia maro ny baolina kitra hiverina ho mpanazatran’ny Barea aloha izy hatreto.
Haja Nirina & Mickah Raharisoa.

Articles similaires

0 Commentaire

Aucun commentaire sur cet article!

Soyez le premier à commenter!

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930