Madatopinfo

 Flash Info

TAOM-PIANARANA 2020-2021: Sekoly nomerika 20 no apetraka manerana ny Nosy

TAOM-PIANARANA 2020-2021: Sekoly nomerika 20 no apetraka manerana ny Nosy

TAOM-PIANARANA 2020-2021: Sekoly nomerika 20 no apetraka manerana ny Nosy
décembre 11
07:30 2020

Tsy vita raha tsy hifanakonana. Ho fampiroboroana ny fanabeazana nomerika eto Madagasikara, misy ny fiaraha-miasa matotra sy maharitra amin’ny alalan’ny fametrahana sekoly nomerika eo amin’ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny Orange Solidarité Madagascar. Mifanojo ihany koa moa ny vinan’ny roa tonta, dia ny ahafahan’ny ankizy malagasy eny amin’ny ambaratonga voalohany sy faharoa mikirakira ny teknolojia. Notanterahana ny alakamisy 10 desambra teny amin’ny CEG Antanimbarinandriana ny fisantarana ny fizarana fitaovana nomerika maro izay ahitana tablety miisa 25, fitaovam-pihainoana 25, solosaina ACER iray, serveur Raspberry iray, vidéoprojecteur iray miaraka amin’ny écran, Powerbank ary kojakoja maro samy hafa. Ny sekoly tsirairay hisitraka ny fandaharanasa fanabeazana nomerika araka izany dia samy hahazo ireo fitaovana ireo avokoa. Amin’ity taom-pianarana 2020-2021 ity mantsy, hahatratra 20 ireo hisitraka ny sekoly hametrahana izany manerana an’i Madagasikara. Tsiahivina fa tamin’ny taona 2014 no nanombohan’io fandaharanasan’ny Orange Solidarité Madagascar io, ary maherin’ny 6.000 ny tablety efa nozaraina ho an’ny sekoly 136 manerana ny Faritra 22 nandritra izany. Ity fikambanana ity moa no hisahana ny fanomezana fiofanana amin’ny fampiasana ireo fitaovana ireo. Nanatrika ny lanonana fanolorana ny « kits numériques » teny an-toerana ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle; ny Tale Jeneralin’ny orinasa Orange Madagascar, Michel Degland ary ny solontenan’ny mpianatra sy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny CEG Antanimbarinandriana. Nanatrika izany ihany koa ny Filohan’ny Orange Solidarité Madagascar, Josie Randriambeloma izay nanambara fa ny hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana sy hahaizan’ny ankizy mampiasa ny tontolon’ny nomerika no isan’ny tanjon’ny fametrahana ity fandaharanasa ity.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930