Madatopinfo

 Flash Info

LICO KININIKE: Nosafidian’i Telma ho ambasadaoro vaovao ara-javakanto

LICO KININIKE: Nosafidian’i Telma ho ambasadaoro vaovao ara-javakanto

LICO KININIKE: Nosafidian’i Telma ho ambasadaoro vaovao ara-javakanto
avril 18
08:02 2023

Isan’ny mandray anjara mavitrika amin’ny fampivoarana sy famirampiratan’ ny zava-kanto malagasy ny Telma amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny mpanakanto avy eto an-toerana. Araka ny fampahafantarana nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety omaly teny amin’ny Campus Telma Andraharo, voasafidy ho ambasadaoro vaovao ara-javakanto eo anivon’ny Telma Madagascar i Pascal Ginet Lico fantatra amin’ny anarana maha artista azy hoe: « Lico Kininike ». Mivoy ny gadon-kira Tsapika ny tovolahy, tahaka ny nampalaza ny reniny Rasoa Kininike fony fahavelony. Tsiahivina fa ny taona 2016 no nanomboka niditra teo amin’ny sehatry ny mozika matihanina ity mpanakanto vao herotrerony avy any Toliara ity. Nanomboka niaka-tsehatra teo ihany koa ny tarika Lico Kininike ary efa nahavita fitetezam-paritra maro teto Madagasikara nandritra izay 6 taona mahery izay. Amin’izao fotoana izao, mahatratra 600.000 ny mpanaraka an’i Lico Kininike ao amin’ny tambazotran-tserasera. « Reharehan’ny artista eto amitsika ny fananana orinasa amin’ny fanandratana avo ny kolontsaina sy ny mozika malagasy, eo ihany koa ny fanohanana ny mpanakanto ary isan’ny manosika anay handroso hatrany izany fiaraha-miasa izany. Misaotra an’i Telma Madagascar nisafidy ahy ho ambasadaoro », hoy i Lico Kininike. Nambarany fa hiezaka hanome ny tsara hatrany ho an’ny mpanjifan’ny Telma rehetra manerana ny Nosy ny tenany ary hitondra ambiansy mafana hoan’i mpankafy an’ny Tarika Lico Kininike miaraka amin’ny Telma.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930