Madatopinfo

 Flash Info

DISTRIKA ANALALAVA: Velaran-tany 8 hektara no nambolena ala honko

DISTRIKA ANALALAVA: Velaran-tany 8 hektara no nambolena ala honko

DISTRIKA ANALALAVA: Velaran-tany 8 hektara no nambolena ala honko
août 04
06:00 2023

Nomarihina tamin’ny fambolena honko miisa 80 000 tamin’ny velaran-tany 8 hektara tao amin’ny kaominina Maromandia, Distrikan’ i Analalava ny fanamarihana ofisialy ny Andro iraisam-pirenena ho fiarovana ny rohivoahary ala honko.
Ny faritra Sofia no manana velarana ala honko ngeza indrindra eto Madagasikara ary sarotiny amin’ny fiarovana azy ireo ny mponina eny ifotony sy ny Faritra Sofia ka miara-miasa akaiky amin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy.
Nanolotra « vedette rapide » miisa 4 ho an’ireo fikambanana mpanono ao amin’ny Kaominina Maromandia ihany koa Ramatoa Minisitra, izay avy amin’ny Madagascar National Parks (MNP) mpitantana ny faritra arovana Sahamalaza.
Nanamafy ny Governoran’ny Faritra Sofia fa tsy hilefitra amin’ireo mpitrandraka an-tsokosoko ny ala honko ka mitarika ny fahapotehany satria maro ny tombony entin’ny ala honko eo anivon’ny Faritra : manatsara ny fari-piainan’ny mponina eny ifotony ary miteraka tombony ara-toekarena ho an’ny Faritra.
Hitohy ao Antsohihy ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho fiarovana ny rohivoahary ala honko.

M.R

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031