Madatopinfo

 Flash Info

HETSIKA IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY FARITRA : Ankalazaina hateloana any Anosy, Fitovignany ary Atsimo atsinanana

HETSIKA IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY FARITRA : Ankalazaina hateloana any Anosy, Fitovignany ary Atsimo atsinanana

HETSIKA IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY FARITRA : Ankalazaina hateloana any Anosy, Fitovignany ary Atsimo atsinanana
juin 01
16:25 2023

Ny tanjona amin’ ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny Faritra hitety ny tapany atsimon’ny Nosy ny fanomezan-danja ny fampandrosoana ifotony sy ny fampiroboroboana ny diplomasia ara-toekarena ary ny fampandraisana Anjara ireo malagasy ampielezana any ivelany amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara
Nomarihina ny zoma 26 mey teto amin’ny Ministeran’ny raharaham-bahiny ny fanokafana ara-pomba ofisialy ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny Faritra ho an’ny taona 2023 izay notarihin’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Yvette Sylla niaraka tamin’ny solontenan’ny Minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana ary ireo governoran’ny Faritra Anosy, Fitovignany sy Atsimo atsinanana.
Nizara ho andiany 3 lehibe mandritra ny telo andro avy ka hiparitaka amin’ny faritra 3 samihafa any amin’ilany atsimon’ny Nosy ny hetsika amin’ity taona ity: ny andiany fahenina izay atao any amin’ny faritra Anosy ny 15-16-17 jona; ny andiany faha7 any amin’ny faritra Fitovignany ny 14-15-16 septembra ary ny andiany faha 8 any amin’ny faritra atsimo atsinanana ny 21-22-23 semptambra
Ny hetsika dia manampy amin’ny fanatanterahana ny velirano faha-12 napetraky ny Filoham-pirenena mikasika ny fizakan-tena sy fanomezana andraikitra ny faritra tsirairay ka mba ts hisy faritra ho adinoana intsony eto mada.
Werlin Betto

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031