Madatopinfo

 Flash Info

TAOM-PIANARANA 2022-2023: Namoaka ny tetiandro hanatanterahana ny fanadinana CEPE sy BEPC ny Ministera

TAOM-PIANARANA 2022-2023: Namoaka ny tetiandro hanatanterahana ny fanadinana CEPE sy BEPC ny Ministera

TAOM-PIANARANA 2022-2023: Namoaka ny tetiandro hanatanterahana ny fanadinana CEPE sy BEPC ny Ministera
décembre 07
10:01 2022

Araka ny didim-panjakana laharana 32731/2022/MEN navoakan’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny 5 desambra 2022, izay mifehy ny tetiandro hanatanterahana sy fisokafana ary fikatonan’ny fisoratana anarana ho amin’ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC ny taom-pianarana 2022-2023, dia ny talata 20 jona 2023 no hanatanterahina ny fanadinana CEPE. Hatao ny alatsinainy 3 jolay 2023 ka hatramin’ny alakamisy 6 jolay 2023 kosa ny fanadinana BEPC.
Mikasika ny fisoratana anarana dia misokatra ny alatsinainy 23 janoary 2023 amin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny zoma 24 martsa 2023 amin’ny 4 ora hariva izany ho an’ny fanadinam-panjakana CEPE, raha ny alatsinainy 30 janoary 2023 ka hatramin’ny zoma 31 martsa 2023 amin’ny 4 ora hariva ho an’ny fanadinam-panjakana BEPC.
Nandritra ny fanambarana nataon’ny Tale jeneraly misahana ny pegagojia eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena (DGP/MEN), Andriamikatsilavo Raoniherijaona, mikasika izany dia nanentana ireo mpianatra sy ray aman-drenin’ny mpianatra ary ireo talen-tsekoly izy amin’ny fikarakarana ireo antontan-taratasy ilaina amin’izany. Notsindriny manokana ihany koa fa mbola misy hatrany ny fanadinana CEPE raha ny rafi-pampianarana mihatra eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Mbola mandalo dingana maromaro kosa ny « loi d’orientation » entina manova izany rafi-pampianarana izany, izay manafoana ny fanadinam-panjakana CEPE.

826 no horaisina mpiasam-panjakana

Nampanantena ny Fitondram-panjakana fa ho raisina mpiasam-panjakana avokoa ireo mpampianatra izay manana ny mari-pahaizana MAPEN sy CAPEN nivoaka avy ao amin’ny « Ecole Normale Superieur » (ENS). Nohamafisin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena tamin’ny alalan’ny naoty izay nivoaka ny alatsinainy 5 desambra 2022 izany.
Araka ny fanazavana nentin’ny Tale misahana ny maha olona eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena (DRH/MEN), dia miankina amin’ny filan’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena no andraisana ireo izay manana ny mari-pahaizana LAPEN.
Ho an’ity taona ity dia 338 ho an’ireo manana CAPEN, 288 ho an’ireo manana MAPEN, miisa 200 kosa ireo manana ny mari-pahaizana LAPEN raisina ho mpiasam-panjakana. Mitotaly 826 ny isan’izy ireo, izay ho tsinjaraina manerana ny Nosy. Tsara marihina fa eny anivon’ny lisea no hampianatra ireto mpampianatra nivoaka avy amin’ny ENS ireto.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930