Madatopinfo

 Flash Info

IVON-TOERANA ENY ANOSIZATO: Olona tsy manan-kialofana miisa 260 no horaisina an-tanana

IVON-TOERANA ENY ANOSIZATO: Olona tsy manan-kialofana miisa 260 no horaisina an-tanana

IVON-TOERANA ENY ANOSIZATO: Olona tsy manan-kialofana miisa 260 no horaisina an-tanana
mai 14
06:58 2020

Notanterahana ny marainan’ny alarobia 13 Mai teny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra sy ny Fondation Axian. Voarakitra ao anatin’ity fifanarahana eo amin’ny roa tonta ity ny fanavaozana ny Ivon-toerana eny Anosizato natokana ho an’ireo tsy manan-kialofana eto Antananarivo renivohitra. Araka ny fantatra, manodidina ny 260 olona no hisitraka ity tetikasa eny Anosizato ity ary haharitra telo volana ny fandraisana an-tanana azy ireo eo anivon’ny Ivon-toerana toy ny fampiofanana, sakafo sy ny maro hafa.
« Tanjona ny hampiantrano sy hanome sakafo ary indrindra hanolotra fampiofanana ho an’ireo olona tsy manan-kialofana ireo mba ahafahana mamerina azy ireo eo amin’ny fiaraha-monina rehefa tapitra ny telo volana handraisana an-tanana azy ireo », hoy ny fanazavana nentin’ny tompon’andraikitra misahana ny serasera eo anivon’ny Fondation Axian, Dina Rajemison. Anjara andraikitry ny Fondation Axian amin’ity tetikasa ity ny fiantohana ny asa fanavaozana io fotodrafitrasa eny Anosizato io, eo ihany koa ny fandraisana an-tanana ny fampandehan-draharaha eo anivon’ny « Centre ». Ny tany kosa dia an’ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Araka ny fanazavana voaray hatrany, vinavinaina haharitra 9 herinandro ny fanamboarana io Ivon-toerana eny Anosizato io ary ahitana efitrano fatoriana, fisakafoana, efitrano fiofanana, eo ihany koa ny toerana hialana voly sy efitrano fianarana ho an’ny ankizy, ary tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny trano fidiovana.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930