Madatopinfo

 Flash Info

LALAO’TSIKA TELMA: Mpanjifa 11 mianadahy no tsara vintana tamin’ny fisarihana lehibe

LALAO’TSIKA TELMA: Mpanjifa 11 mianadahy no tsara vintana tamin’ny fisarihana lehibe

LALAO’TSIKA TELMA: Mpanjifa 11 mianadahy no tsara vintana tamin’ny fisarihana lehibe
juillet 04
17:30 2023

Notanterahana teny amin’ny Campus Telma Andraharo ny alatsinainy 3 Jolay lasa teo ny fanolorana kadoa ho an’ireo voasarika tamin’ny Lalao’tsika nokarakarain’ny Telma Madagascar. «Nanomboka ny 4 Mey ka hatramin’ny 14 Jona no nanatontosana ity lalao ity ka isaky ny zoma ny fisarihana. Ny 17 Jona kosa no nanatanterahana ny fisarihana farany izay nahazoana loka goavana avy amin’ny Telma. Miisa 11 mianadahy no voasarika tamin’izany ary nisy avy any amin’ny Faritra», hoy i Riantsoa Rabefitia, tompon’andraikitra eo anivon’ny Telma nandritra ny fanolorana mivantana ny loka. Fahitalavitra 55″, finday avo lenta, kit M’balik, PS5, iPad 9 wifi isan’ny kadoa azon’ny mpandresy tamin’ny Lalao’tsika. Tsiahivina fa isaky ny mividy tolotra Telma net na Ye’low one ny mpanjifa dia tafiditra avy hatrany tamin’ny lalao ary afaka nandray anjara avokoa ireo mpanjifa 034 sy 038 rehetra manerana ny Nosy. Nohamafisin’ny tompon’andraikitra fa tao anatin’ny mangarahara hatrany no nanatanterahana ny fisarihana, porofon’izany ny nahazoana alalana avy amin’ny SEM na Société d’Exploitation de loterie Malagasy sy ny nanatrehan’ny «police des jeux» hatrany ny fisarihana nandritra izay 6 herinandro izay, teo ihany koa ny nandraisan’ireo mpandresy ny lokany teny Andraharo ary naseho mivantana ny rehetra tamin’ny alalan’ny fampitana mivantana ny fizarana ny loka Lalao’tsika.

M.R

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031