Madatopinfo

 Flash Info

KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA : Manome lanja ny teny malagasy sy ny fialamboly

KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA : Manome lanja ny teny malagasy sy ny fialamboly

KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA : Manome lanja ny teny malagasy sy ny fialamboly
août 02
13:02 2023

Ho famerenana ny hasin’ny teny sy ny lalao malagasy, ho fampivoarana ny vaky boky. amin’ny alalan’ny haikanto sy kabary. Mikarakara hetsika fampianarana kabary sy kilalao malagasy maimaimpoana, manomboka ny alarobia 02 aogositra, ny Sampandraharaha misahana ny Kolontsaina, haikanto ary ny vaky boky ao amin’ny Fitaleavana misahana ny Haikanto, kolontsaina ary ny fiainam-piarahamonina, CUA. Hisitraka izany ireo ankizy sy tanora eny anivon’ny boriborintany enina. Ho an’ny mpianatra, latsaky ny 15 taona. isaky ny alarobia, manomboka ny alarobia 02 aogositra, mandritra ny fialantsasatra, mitohy isaky ny vanim-potoana fialantsasatra, no hanatanterahana izany.
Ny 15 taona mihoatra kosa, isaky ny asabotsy sy alahady. Marihina fa mandavantaona ity farany izay iaraha- miasa amin’ny Manda mpikabary, ka hahazoana certificat na mari- pahaizana avokoa ireo fampianarana ireo amin’ny herintaona . Tanjona ny hisarihana azy ireo ho tia vaky boky sy ny hamerenana ny hasin’ny teny sy ny kilalao malagasy. « Fomba iray hisarihana ny ankizy sy ny tanora ho tia mamaky boky ny seho amin’ny endrika ara-haikanto sy ara-kolontsaina », hoy ny Lehiben’ny Sampan-draharaha misahana ny Kolontsaina, Haikanto ary ny vaky boky ao @ Fitaleavana misahana ny Haikanto, Kolontsaina ary ny fiainam-piarahamonina, Hira Andriamanamihaja, ny 28 jolay lasa teo, raha nanontaniana. Miaina ao anatin’ny karazana fiteny isan-karazany mantsy ny vahoaka malagasy, ankehitriny. Tsy manome lanja ny fiteniny ny ankamaroan’ny olona. Manampy hamerin-kasina izany indray ny fianarana kabary. Nilaza izy fa tokony homena lanja ny fiteny malagasy alohan’ny hanajana ny tenim-pirenena hafa.
Niainga tamin’ny fanaovana fifaninanana sy filalaovana tantara an-dapihazo teny anivon’ny boriborintany enina ny hetsika. Nampitaina tamin’ny alalan’ny kabary izany ka hita fa manan-danja ny teny malagasy. Etsy ankilany, ho fanomezan-danja ny kolontsaina sy ny haikanto ary ny vaky boky ihany koa. Ho fitarihana ny ankizy hisokatra, satria tsapa fa manan-tsaina kokoa ny ankizy manao mozika. Nikarakara fampianarana mozika sy mihira ity sampandraharaha ity, ny 26_ 29 jolay lasa teo, nampitondraina ny anarana hoe “festival atelier de musique”. Marihina fa andiany faharoa izy io. Tsy mitovy fa miovaova ary nifandimby ny karazana zavamaneno nianarana, niaraka tamin’ireo mpampianatra mozika matihanin’ny “centre académique de musique”. Ankizy 5 taona ka hatramin’ny olon-dehibe 70 taona no nanatrika ary afa- po avokoa hatramin’ny mpampiofana.
Claude Eric Ravonjy

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031