Madatopinfo

 Flash Info

KAOMININA ALASORA: Mitondra fampandrosoana ifotony ny fandaharanasa RINDRA

KAOMININA ALASORA: Mitondra fampandrosoana ifotony ny fandaharanasa RINDRA

KAOMININA ALASORA: Mitondra fampandrosoana ifotony ny fandaharanasa RINDRA
octobre 18
17:35 2022

Nisongadina nandritra ny atrikasa notanterahana nandritra ny telo andro ny fanamafisana ny traikefan’ireo mpisehatra teo anivon’ny kaominina Alasora tamin’ny alalan’ny fandaharanasa RINDRA Fanamafisana ny fifampitondrana eto Madagasikara. Ny 14 ka hatramin’ny 17 oktobra lasa teo no nanatontosana izany. Ny andro voalohany no nanatanterahana ny fampahafantarana ny vokatra sy ny fandraisana anjaran’ny olompirenena, raha niompana tamin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao kosa ny andro ro ambiny tamin’ny atrikasa.
Tombony ho an’ireo mpisehatra, olompirenena, mpitantana eo anivon’ny distrikan’Avaradrano ny fandraisana anjara nandritra ity atrikasa ity nampahafantarana ny dingana hampanjakana ny mangarahara eo anivon’ny vahoaka sy ny fampiharana ny tamberinandraikitra. « Tsy azo tsinontsinoavina ny hetsika tahaka izao iarahana amin’ny Msis-tatao sy ny fandaharana RINDRA izao satria mitondra fanatsarana ny fomba fitantanana », hoy ny Ben’ny Tanana Lefitra Alasora, Hery Aina Tsiry Raharimanantsoa.
Ny ny mpandrindra ny tetikasa Rindra eo anivon’ny Msis-tatao, Manda Razafinjato ihany koa dia nanambara fa tsy vao voalohany ny fifandrombonana sy fiaraha-miasa niarahana tamin’ny kaominina ambanivohitra Alasora fa efa nisy tamin’ny tetikasa teo aloha ary nahitam-bokany tsara izany ka izao tohizana amin’ny fandaharanasa RINDRA izao indray. Nahitam-pahombiazana izany tamin’ny alalan’ny fangaraharana toy ny fametrahana ny lafiny fitantanam-bola voarakitra anaty peta-drindrina.
Tsiahivina moa fa ny fandaharanasa RINDRA Fanamafisana ny fifampitondrana eto Madagasikara dia efa nanomboka ny taona 2022 ary hitohy mandritra ny 5 taona, vatsian’ny USAID izay tanterahan’ny PNUD Madagasikara iarahana amin’ny Msis-tatao.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930