Madatopinfo

 Flash Info

SERASERA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA: Mampiroborobo ny fikarohan’ny tanora malagasy ny Vondrona Axian sy ny Telma

SERASERA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA: Mampiroborobo ny fikarohan’ny tanora malagasy ny Vondrona Axian sy ny Telma

SERASERA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA: Mampiroborobo ny fikarohan’ny tanora malagasy ny Vondrona Axian sy ny Telma
avril 12
07:05 2023

Andro voalohany sady fanokafana tamin’ny fomba ofisialy amin’ny « herinandron’ny serasera sy ny fifandraisan-davitra » ny talata 11 Aprily izay notanterahana teny Vontovorona tamin’ny alalan’ny Telma Madagascar sy ny Vondrona Axian. Nandray anjara nandritra izany ny mpianatra misehatra amin’ny tontolon’ny teknolojia, ny fikarakarana ny lafiny informatika sy nomerika, ary indrindra ny fifandraisan-davitra niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Vondrona Axian sy Telma. Nomena sehatra manokana ny mpianatry ny oniversite ESPA Vontovorona tamin’ity andiany ity. « Misy ny tolotra fianarana asa ho an’ny mpianatra, miankina amin’ny ambaratonga misy azy ireo », hoy ny ITS at Telma sady mpianatra nivoaka tao amin’ny ESPA, Iombonana Andriamampionona. Nohamafisin’i Sarah Randrianaina, Auditeur du système d’information ao amin’ny Vondrona Axian ihany koa fa manolotra aterneto mamaim-poana ho an’ny fikarohana ara-tsiansa, ny fifandraisana sy ny asa ampitain-davitra ny Telma.
Hitohy amin’ny fifaninanana tetikasa madinika, fampahafantarana ny voka-pikarohana siantifika, teknika sy teknolojia ireo mpianatra mpikaroka ao Vontovorona ny alarobia 12 Aprily, raha ny nambaran’ny mpitondra tenin’ny GET na Vondron’ny mpianatra misehatra amin’ny fifandraisan-davitra, Cédric Razandrinilaina. Hitondra zava-baovao amin’ny lafiny fampandrosoana ny firenena mantsy ity fifaninanana iray ity raha ny nambarany. Ankoatra izay, ahitana fampirantiana ny asa famoronana, valan-dresaka sy lalao ara-panatanjahantena ihany koa mandritra ny hetsika. Tsiahivina fa hitohy hatramin’ny zoma 14 Aprily ho avy izao ny « herinandron’ny serasera sy ny fifandraisan-davitra » ary azon’ny rehetra hatrehana.
Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930