Madatopinfo

 Flash Info

FISOROHANA AMIN’NY COVID-19: Zandary miisa 16.400 mahery manerana ny Nosy no nozaraina CVO+

FISOROHANA AMIN’NY COVID-19: Zandary miisa 16.400 mahery manerana ny Nosy no nozaraina CVO+

FISOROHANA AMIN’NY COVID-19: Zandary miisa 16.400 mahery manerana ny Nosy no nozaraina CVO+
mars 26
08:45 2021

Isan’ireo miantsehatra mivantana amin’ny ady amin’ny Covid-19 ny mpitandro filaminana. Raha ho an’ny Zandarmariam-pirenena manokana, tsikaritra fa maromaro no voan’izany areti-mandozabizanyvtato ho ato. Hisorohana ny fihanaky ny Covid-19 eo anivon’ny fianakaviamben’ny zandarmaria dia nozaraina CVO+ maimaim-poana izy ireo.
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny Toby Ratsimandrava Andrefan’Ambohijanahary ny alakamisy 25 martsa lasa teo ny fizarana izany ary ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarmariam-pirenena, Jeneraly Richard Ravalomanana no nanolotra izany. « Misitraka ny CVO+ avokoa ny zandary rehetra manerana ny Nosy izay miisa 16.442. Tanjona mantsy ny hampihena na tsy hampisy intsony ny zandary marary na lavon’ny Covid-19 », hoy ny SEG. Ho an’ny any amin’ny Faritany sy ny Faritra kosa dia nanambara i Jeneraly Richard Ravalomanana fa ny zoma 26 martsa dia efa miainga eto Antananarivo ny anjaran’izy ireo. Ny zandarmariam-pirenena ihany koa dia manentana hatrany ny daholobe mba hanaja sy hanamafy ny fepetra rehetra amin’izao ady amin’ny Covid-19 izao. Hentitra kokoa araka izany ny fanaraha-maso ataon’izy ireo na eny an-dalambe izany, na amin’ireny fiara fitateram-bahoaka ireny, na ihany koa am’ny toerana ifamezivezen’ny olona toy ny tsena.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930