Madatopinfo

 Flash Info

FESTIVAL DES BALEINES ANY SAINTE-MARIE: Hiverina indray …

FESTIVAL DES BALEINES ANY SAINTE-MARIE: Hiverina indray …

FESTIVAL DES BALEINES ANY SAINTE-MARIE: Hiverina indray …
juin 04
14:00 2023

Raha nihato tao anatin’ny 3 taona ny hetsika goavana « Festival des baleines », hiverina indray izany amin’ity taona ity raha ny nambara nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny zoma 2 Jona lasa teo teny amin’ny Campus Telma Andraharo. Toa ny mahazatra, any Sainte-Marie no hanatontosana ny hetsika, ny 15 ka hatramin’ny 23 Jolay ho avy izao. Amin’ity andiany faha enina ity, ho hita ao avokoa ny hetsika ara-kolontsaina amin’ny alalan’ny fampisehoana isan-karazany. Hahazo vahana ihany koa ny hetsika ara-panatanjahantena toa ny beach soccer, golf, baolina lavalava eny amin’ny torapasika, tsipy kanetibe, fifaninanana hazakazaka bisikleta mirefy 35 kilaometatra sy ny maro hafa. « Manamafy ny fanohanany ny Festival des baleines ny Telma Madagascar amin’ny alalan’ ny fanentanana ny tanora, ny fandefasana horonantsary mihetsika momba ny sehatry ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra », hoy i Riantsoa Rabefitia, tompon’andraikitra eo anivon’ny Telma. Mampiseho ny fanakekezana hatrany mankany amin’ny fampiasana angovo azo havaozina ihany koa ny Telma. Hisy rahateo ny varotra sy fampirantiana ny vokatra M’Baliaka mandritra ny hetsika raha ny nambaran’i Hasy Razaiharimanana avy ao amin’ny M’Baliaka.
«Ankoatra izay, hikarakara ny eo amin’ny lafiny fitaterana ny Ministeran’ny Fizahantany, hisy ny lamasinina izay hiainga ao Toamasina mba hanamora ny fivezivezen’ny mpitsidika», araka ny nambaran’i Felana Ana Ramahandrisoa, tompon’andraikitra ny Festival des Baleines.
Tafiditra tanteraka anatin’ny fialan-tsasatra lehibe ihany koa mantsy ity hetsika ao amin’ny Nosy Sainte-Marie ity ary efa mihomana amin’ny trano fandraisam-bahiny sy ny fitaterana ny mpikarakara. Raha ny lafiny fandriampahalemana kosa, hisy ny fandaminana sy fepetra manokana horaisin’ireo tompon’andraikitra any an-toerana mba hianoka anatin’ny fety tanteraka ny mpivahiny.

M.R

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031