Madatopinfo

 Flash Info

GAZETY MANKALAZA NY FAHA-6 TAONANY : IREO FAHATSIAROVANA REHETRA TATO AMIN’NY MADATOPINFO

GAZETY MANKALAZA NY FAHA-6 TAONANY : IREO FAHATSIAROVANA REHETRA TATO AMIN’NY MADATOPINFO

GAZETY  MANKALAZA NY FAHA-6 TAONANY : IREO FAHATSIAROVANA REHETRA TATO AMIN’NY MADATOPINFO
juin 25
12:25 2020

Indro atolotra mba hialana voly ireo kisampotsampona tadidy.

Tadidiko raha ny iray tamintsika mpanao gazety no nantsoin’i Ref Chef tao ambany, na ny PAOiste tao ambadika dia isika rehetra no tafidina noho ny anarana mitovy2. HIHIHI ( Ekipa naira-namakilay : Elie, Elise, , Annie, Nirina, Riana, Andry)

TADIDIKO tamintsika indray ry Mickah Raharisoa tamin’ilay
indray alakamisy naka vaovao tany amin’ny sahotak’i
Soamahamanina ilay feno vovoka be tanteraka niditra ny
desk. (Mickah Raharisoa : tadidiko koa. hihih, fa tsy fotsy ny akanjo t@iny)
Tsaroana koa ny tebiteby tao anaty lacrymogènes sy tifitra nahafaty olona nandritra ny grevin’ny 21 Avril 2018 Analakely ry Mickah Raharisoa.
Tadidy naka vaovao niaraka tamin’i Antoine ilay avy nandray anjara nihinana ny gâteau faha-15 taonan’ny Antoko TIM teo amin Carlton dia tsy navela niditra ny kianjaben’i Mahamasina ry Psdt Ravalomanana sy ny vahoakany ka i Antoine niandry azy tao Analakely anaty lacry moa izahay niandry tany amin’ny kolejy Rasalama nitobian’ny avy any amin’ny Faritra kinanjo ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana nody nisakafo atoandro dia nijanona tao an-tranony tao Faravohitra.

Tsaroako ilay fakana vaovao tany Nanisana ry Dimby dia tsy hita mihitsy ilay toerana dia nody fotsiny.

Mahatsiaro ilay Namonjy ny fahatongavan’ny Psdt Inde tao amin’ny Carlton dia nandeha taxi fa maika be kay efa nihidy daholo ny lalana dia vao maika tara ry Ny Tiavina (Ny Tiavina
hihihi)

Tsaroana naka vaovao niaraka tamin’i Mialy tato amin’ny MadaTopInfo koa ilay nampihomehezin’i Filoha Ravalomanana teny amin’ny OVEC Nanisana. Vao tafaverina kelikely teto Madagasikara avy sesintany tany Afrika Atsimo ny Filoha teo aloha tamin’izay ka mbola tsy nahazo niteny mikasika ny raharaham-pirenena. Tara ny Mpitondra atontantaratasin’i Lalao Ravalomanana tamin’ny hofirotsahany ho fidiana ho Ben’ny tanana. Nitsangana ny Lehiben’ny Tiko sy Magro ka nanaraka azy ny mpanao gazety rehetra ary Lalao R. irery sisa tao amin’ny birao kinanjo kay andeha hamonjy toilette Atoa Marc Ravalomanana. Niverina tao amin’ny biraon’ny OVEC ny mpanao gazety fa tsy nampoizina fa avy any amin ny wc Marc Ravalomanana dia novelominy tao ny fiara dia lasa izy nefa ny mpanao gazety nanantena mba aheno ny feony. Kopatanana ho an’i Mialy miasa any Nosy Be Hell Ville any miaraka amina Magazine iray izay momban’ny tourisme.
Anjamalala. Tadidinao ve ilay nanao couverture médiatique 26 juin niaraka tamina razoky mpanao gazety mpampiomehy izay ka variana nanao interview tetsy sy teroa ka efa tapitra ny sakafo tao Iavoloha
Fahatsiarovana ny fanaovana interview tamn lalam-pirenena
voalohany teny akaikin’ny Fenoarivo Atsimondrano
nandritran’ny couverture médiatique fifidianana ka
nilaozan’ny fiaran’ny Ceni. Tantara sisa ireny. Hihihi.
( Cecilia’s Cecilia : Tadidiku mintsy iny)

Fahatsiarovana ny tolon’ny MLE tany Mahajanga niarahana tamin’izany tamin’ny Minisitra amin’izao sy ny Depiote Miarinarivo ka nahasimba ny caméra ry Mamy nandritra ny fanaovana interview an’i Fetra Rakotondrasoa.

Tsiaro an’ilay fitokanana fotodrafitrasa maro be nitety ny acmil Antsirabe nanapaka ruban nandritra ny ora iray mahery nivezivezy ry Harana.
Haja Nirina

FETIM-PIRENENA SY NY FITIAVANTANINDRAZANA ARY MADATOPINFO.
Ny mpiara-miasa rehetra eto amin’ny MadaTopInfo dia miarahaba ny mpankafy, ny Malagasy rehetra nahatratra izao fetim-pirenena izao sy miara-paly amin’ny tsingerintaonan’ny gazety. Misaotra ireo rehetra efa nifanampy tamin’ity gazety ity hatrany amboalohany ka nikopakelatra any amin’ny haino aman-jery maro na efa nahatsangana ny orinasany manokana ary ireo efa mitana andraikitra ambony eto amin’ny firenena. Ankasitrahana koa ny ekipa tanora ankehitriny izay latsaky ny 25 taona ny 75% n’ny mpiasa. Ny gazety dia natokana ho an’ny Malagasy rehetra eto an-toerana sy any dilam-bato.
Ny filazana ny marina dia tsy fandokafana na fitsikerana be fahatany ny Fitondram-panjakana izay nijoro sy mijoro ary hijoro fa fitiavantanindrazana. Kopatanana kely manokana ho an’ireo lehibenay sy ny fianakaviany sady mpanorina any Frantsa.
« MADATOPINFO, Neutralité et objectivité. Le premier journal Malagasy en France! »
Ny Talen’ny Fanoratana sy ny Tompon’ny orinasan-tserasera.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930