Madatopinfo

 Flash Info

FITATERANA « TELEPHERIQUE »: Hovitaina mialohan’ny handraisana ny lalao JIOI amin’ny taona 2023 ny tetikasa

FITATERANA « TELEPHERIQUE »: Hovitaina mialohan’ny handraisana ny lalao JIOI amin’ny taona 2023 ny tetikasa

FITATERANA « TELEPHERIQUE »: Hovitaina mialohan’ny handraisana ny lalao JIOI amin’ny taona 2023 ny tetikasa
septembre 22
18:15 2021

Taorian’ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny fitondram-panjakana Malagasy sy ny Tahirim-bolam-panjakana Frantsay izay notanterahana tany Paris ny 20 septambra lasa teo mikasika ilay tetikasa « téléphérique » hapetraka eto Antananarivo, dia nitondra ny antsipiriany momba izany ny teo anivon’ny Sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana, omaly, teny Antaninarenina. Nampahafantarin’i Gérard Andriamanohisoa tamin’izany fa hatomboka tsy ho ela ny asa fanamboarana ity fitaterana an’habakabaka an-tanan-dehibe ity. Nivoitra nandritra ny fanazavany ihany koa fa hovitaina ny volana jona 2023, mialohan’ny handraisana ny lalaon’ny Nosy ety amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indiana (JIOI) ny ampahany amin’izany tetikasa goavana izany. Raha ny fantatra, hizara roa mazava tsara ny lalan’ireo fitaovam-pitanterana an-tariby ireo ka ny zotra mavo dia hampitohy an’Anosy sy Ankatso izany hoe mandalo Andohalo sy Ambanidia, mirefy 3.7 km izany; ny zotra mena kosa dia hampitohy an’Anosy, Ambohijatovo, Analakely, Soarano, Antanimena, Ankorondrano, Ivandry ary Ambatobe izay mirefy 9.3 km. « Ny fisian’izao tetikasa izao dia hampihena ny fatiantoka ara-toekarena izay niainana amam-poton-taonany maro, hamahana ihany koa ny olan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo sy hisorohana ny fiakaran’ny tahan’ny fahalotoan’ny tontolo iainana izay miteraka aretina isan-karazany », hoy hatrany ny Sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao, Gérard Andriamanohisoa. « Cabine » miisa 276 no hiasa ary vinavinaina ho 40.000 isa ny mpandeha hifamezivezy isan’andro amin’ny alalan’ity fitaterana ity. Ny « cabine » iray kosa dia mahazaka olona miisa 10 hatramin’ny 12 ary tsy misy ny fitaterana mandritra ny alina hisorohana ny tsy fahandriampahalemana mety hitranga. Eo amin’ny lafin’ny saran-dalana kosa dia natao mifanaraka amin’ny kalitao kanefa zakan’ny daholobe, 3.000 hatramin’ny 4.000 ariary.
Hahazo tombony lehibe, ho afa-pahasahiranana araka izany ny mponina eto an-drenivohitra amin’ny fisitrahana ity tetikasa fitaterana an-tariby ity satria raha lalana adiny 1 ora sy sasany ohatra dia vita ao anatin’ny 12 hatramin’ny 30 minitra monja noho ny fisian’ny fitaterana « téléphérique ».

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930