Madatopinfo

 Flash Info

ONG COEUR EQUITABLE: Nanolotra herinandro ho an’ny fitsaboana ny areti-po teny Soanierana

ONG COEUR EQUITABLE: Nanolotra herinandro ho an’ny fitsaboana ny areti-po teny Soanierana

ONG COEUR EQUITABLE: Nanolotra herinandro ho an’ny fitsaboana ny areti-po teny Soanierana
novembre 22
06:12 2022

Araka ny vokatry ny fanadihadiana voaray, nandritra ny 25 taona (1992-2016) tao amin’ny Hopitaly Joseph Raseta Befelatanana dia mahatratra 6 872 ny olona matin’ny areti-po. Singa iray mahatonga ny fiakaran’io tarehimarika io ny tsy fahampian’ny lafiny ara-bola. Manodidina ny 2 000 ka hatraminny 3 000 euro mantsy ny sara-pitsaboana, ny ankabeazan’ny Malagasy ianjadian’ity aretina ity anefa tsy mahatakatra io fahalafosanny sarany io. Fantatra ihany koa fa avo 200 heny ny vola miditran’ny tokantrano Malagasy ny fandaniana raha hotsaboina any amin’ny Nosy La Réunion ny aretin’ny fo. Izany indrindra no nahatonga ny “ONG Cœur équitable niforona teto Madagasikara tamin’ny taona 2019 raha tamin’ity taona 2022 ity vao afaka niasa ny fikambanana noho ny fisian’ny Covid-19. Hanampy ny Malagasy tra-pahasahiranana, tsy mahatatra ny sara-pitsaboana ity aretina ity ny fikambanana. Ho fanombohana ny tetikasa, hanolotra fitsaboana mandritra ny herinandro izay tanterahana eny amin’ny Polyclinique Fanandratana Soanierana ny 21 ka hatramin’ny 26 Novambra ny ONG Cœur équitable.
“ Marary miisa 10 no hisitraka ny fitsaboana hatreto, singanina manokana ireo izay tena mila izany fanampiana izany. Horaisina an-tanana ny fitsaboana saingy misy fandraisana anjaran’ny mpisitraka ihany satria manamaivana ny fahasahiranana sedrain’ireo marary no tena antom-pisian’ny fikambanana, hoy ny Filohanny filankevi-pitantanana eo anivon’ny ONG Cœur équitable, dokotera Monique Rakotomalala. Nambarany fa isan’ny mahatonga ny fahatsentsenan’ny lalan-drà amin’ny fo ny sakafo be menaka, eo ihany koa ny diabeta izay tena mahatonga ny lalandràn’ny fo ho tsentsina. “Ny fisorohana mora indrindra dia ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana sy voalanjalanja, tsy tokony ho diso anjara ihany koa ny fanaovana fanatanjahan-tena”, hoy ny profesora Olivier G. , mpitsabo momba ny fo.
Ity tetikasa ity moa dia hiarahan’ny ONG Cœur équitable, ny Polyclinique Fanandratana ary Heart Clinic Foundation manatanteraka.

M.R

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031