Madatopinfo

 Flash Info

FIPARITAHAN’NY FAKO PLASTIKA : Loza mihatra hoan’ ny tontolo mananaina

FIPARITAHAN’NY FAKO PLASTIKA : Loza mihatra hoan’ ny tontolo mananaina

FIPARITAHAN’NY FAKO PLASTIKA : Loza mihatra hoan’ ny tontolo mananaina
août 02
13:06 2023

Nanatanteraka fihaonana sy fizarana, andiany faharoa, ho an’ny mpanao gazety, antsoina hoe » Le rendez-vous de REMAPSEN » ny REMAPSEN Madagascar sy ny holafitry ny mpanao gazety, ny Zoma 28 jolay lasa teo, teny Ambatobe. Fandaharam-potoana karakarain’ny tambazotra ivondronan’ireo mpanao gazety misehatra amin’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana, tanterahina isan-telovolana. Lohahevitra noraisina ny hoe: » Fahalotoan’ny tontolo iainana: ireo fanamby sy olana mikasika ny fitantanana ny fako plastika eto Madagasikara ». Mifandraika indrindra amin’ ny lohahevitry ny Firenena mikambana nentina nanamarihana ny 05 jona momba ny fako plastika. Atao izany ho fanatsarana ny tanjona fampisitrahana ny olom-pirenena ny zony hahazoana vaovao marina sy feno ary tsy mitanila mahakasika ny fahasalamana sy ny tontolo iainana. Eo koa ny hahafehezan’nympampita vaovao ny lohahevitra ahafahan’izy ireo mikirakira ny vaovao sy manome vokatra tsara ny mpamaky, mpihaino sy mpijery. Nitondra fanazavana mikasika ny zava-misy eto Madagasikara n’y solotenan’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy.
Tamin’izany no nilazany fa sarotra ny hanafoana ny fampiasana plastika fa ny mampihena sy manodina izany ho fitaovana azo ampiasaina indray, amin’ny alalan’ny fitantanana ny fako sy ny fananganana fotodrafitrasa mifandraika amin’izany no hatao. Maro karazana ny plastika, novokarina ara- indostrialy nanomboka ny taonjato faharoapolo. Eto Madagasikara, 300-400grama isan’olona, isan’andro ny fako plastika miparitaka eny rehetra eny ka manimba ny nofontany, mamono ny zava-mananaina madinika mahalonaka ny tany. Miantraika ihany koa eo amin’ny tontolo mananaina, ny rivotra iainana ny rano sy ny ranomasina. Nasaina nandritra izany koa ny orinasa STAR. Nanazavany ny fomba fitantanany ny fako plastika ny avy ao amin’ny tetikasa »Kopakelatra ». Tetikasa teraka ny taona 2019, mitsinjo ny tontolo iainana , ka nametraka daba fanangonana plastika eny an- tsekoly sy ny  » grande surface » miisa 40. Teo koa ny solotenan’ny minisiteran’ny Fahasalamana, nosoloin-dramatoa Haingotiana Rakoto Ramambason tena.
Fotoana nanazavany ny voka-dratsy ateraky ny fiparitahan’ny fako plastika. Efa tandindomin-doza ny fahasalamana, hoy izy, raha tsy hijery afa-tsy ny fofona ratsy » gaz carbonique « , ny aretin’ny taovam-pisefoana, ny olan’ny fo sy ny lalandra, ny aretim- pivalanana, ny homamiadana, ny rarintsaina, sns… Hoentin’ny rano sotroina na ny vokatra sakafo ohanina ireo singa madinika misy poizina avy amin’ny plastika ka voatelintsika. Nandray anjara tamin’ny dinika koa ny tanora mpandraharaha avy ao amin’ny ONG Move Up,nizara ny traikefa mahakasika ny asa ataon’ny fikambanana momba ny fitantanana ny fako plastika, toy ny fampiofanana ny fomba fanodinana ny fako plastika, ny fanangonana izany ary ny fanentanana ny tsirairay hahatsapa ny voka-dratsin’ny fako plastika miparitaka eny rehetra eny. Nosoloin’ i Fanomezana Rasolofomahery,mpiandraikitra ny seraseran’ny fikambanana, tena.
Claude Erick Ravonjy

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031