Madatopinfo

 Flash Info

FIKAMBANANA RENY SY NY ANKIZY : Niavaka ny fanamarihany ny 8 martsa teny Andranonahoatra Itaosy

FIKAMBANANA RENY SY NY ANKIZY : Niavaka ny fanamarihany ny 8 martsa teny Andranonahoatra Itaosy

FIKAMBANANA RENY SY NY ANKIZY : Niavaka ny fanamarihany ny 8 martsa teny Andranonahoatra Itaosy
mars 10
09:30 2022

Andry iankinan’ny fikarakarana ao an-tokantrano amin’ny ankapobeny ny renim-pianakaviana, maro ny adidy aman’andraikitra sahaniny eo anivon’ny ankohonany sy ny fiaraha-monina misy azy ary koa mitàna anjara toerana goavana eo amin’ny sehatry ny fitezana izy ireny. Ho an’ny Fikambanana Reny sy ny Ankizy na Association Mère et Enfant, « Reny salama afaka miatrika ny hoaviny » no lohahevitra nosafidiany hanamarihana ny Andro iraisampirenena ho an’ny zon’ny vehivavy ny talata 8 martsa lasa teo. Nosafidian’ny fikambanana nanatanterahana izany fankalazana izany ny kaominina Andranonahoatra Itaosy, toerana misy ny foibeny. Nampiavaka ny hetsika tamin’ity andiany ity ny fironana misimisy kokoa tamin’ny lafiny ara-pahasalamana. « Nisy fizaham-pahasalamana maimaim-poana, tsy diso anjara nandritra ity fotoana ity ihany koa ny fifampizarana teo amin’ny tontolon’ny kolo endrika sy ny atrikasa sady fanentanana ny reny hiabo manoloana ny zava-misy eo amin’ny fiainana », hoy ny Filohan’ny Association Mère et Enfant, Ramahandry Ramilison Soafara Aimée. Manodidina ny 200 no nisitraka ny tolotra rehetra nandritra ity hetsika ity teny an-toerana.
Isan’ireo niara-niombon’antoka tamin’ny fanatanterahana io fanamarihana ny 8 martsa io moa ny ASOS izay nanohana teo amin’ny lafiny ara-pahasalamana sy ny fanaovam-baksiny maimaim-poana. Teo ihany koa ny Impec izay nanome sehatra ara-pidiovana sy fanadiovana, ary nozaraina Kobafenosoa ny ankizy hampitombo hery sy tanjaka ho azy ireo. Nanambara ny Filohan’ny fikambanana fa tsy vao voalohany akory no nikarakara hetsika tahaka izao ny Fikambanana Reny sy ny Ankizy. Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai mantsy, efa nisahana ny fikarakarana ny sakafon’ireo reny tera-bao miisa 18 teny amin’ny fokontany Andranomanalina ny Association Mère et Enfant ary niandraikitra ny fandraisana an-tanana azy ireo nandritra ny herinandro. Vinavina kasain’ity fikambanana ity hotanterahana manaraka kosa ny fanohizana ny fizarana fanampiana ho an’ny zaza tra-pahasahiranana, eo ihany koa ny fanolorana fanomezana ho an’ireo ankizy tsy salama eny amin’ny hopitaly.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930