Madatopinfo

 Flash Info

FIFAMOIVOIZANA ETO ANTANANARIVO : Andrandraina ny haha ara-dalana ny ny taksi môtô izay hamonjena fotoana

FIFAMOIVOIZANA ETO ANTANANARIVO : Andrandraina ny haha ara-dalana ny ny taksi môtô izay hamonjena fotoana

FIFAMOIVOIZANA ETO ANTANANARIVO :  Andrandraina ny haha ara-dalana ny ny taksi môtô izay hamonjena fotoana
juillet 17
09:06 2021

Tsy vitsy ireo mitaky ny fampidirana ny kodiaran-droa ho fitanteram-bahoaka eken’ny fitondrana eto an-drenivohitra. Maro ny fitaovam-pitanterana eto Madagasikara,ary efa mivoatra sy manaraka ny toetr’andro izy ireny. Isan’ny ahitana ireo hiaka farany tokoa raha ny eto amitsika, na ho an’ny kodiarana efatra na ho an’ny kodiaran-droa. Noho ny filàna ara-pitadiavana anefa dia tsy vitsy amin’izy ireny no ampiasaina ary ampanofaina ka atao fitadiavam-bola ao an-tokantrano.
Raha ny mahazatra ny maso dia ireo kodiarana’efatra na fiarakodia no entina manatateraka izany. Taty aorianan ‘ny taona 2000 anefa dia tazana tetsy sy teroa ireo kodiaran-droa no miroso amin’ilay sehatra io na ilay atao hoe « taksi môtô » .Raha tany amin’ny Faritra sy amin’ireo toerana ambanivohitra tsy tongan’ireny taksi brosy no nahitana azy tany amboalohany izay nampiasain’ireo mpandraharaha nitanterana entana.
Fialana fitohanana
Ankehitriny dia miroso amin’ny fitanterana olona ihany koa ireo kodiarandroa na ilay antsoina hoe : « taxi moto » ,ary efa saika hita eto andrenivohitra amin’ny toerana be olona ,na tsena ary indrindra eny amin’ny toeram-piantsonan’ireo taksi be ,rehefa ilay fotoana mampijaly mpandeha iny, dia ilay fotoana tsy ahatongavan’iretsy farany any amin’ny ” terminus” fa mihodina an-dalana ry zareo ,na sendran’ny fitohanana lavareny amin’ny fotoana hodiana iny.
Raha tsiahivina moa dia ny fialana io fitohanana ara-pifamoivoizana io sy hamonjena fotoana no antony nampiroborobo ny fampiasana izany kodiarandroa izany teto Madagasikara, kanefa dia niroso amin’io asa fampanofana io ankehitriny.
Marihina fa tsy mbola anatin’ny sehatra ara-dalana moa izy io ary mbola isany anatin’ny fifanolanana amin’reo izay efa anatin’io sehatra io dia ireo fiara karetsaka sy irony atao hoe « bajaj »irony izay efa mijoro aram-panjakana sy manana fahazoan-dalana ary koa manana fikambanana mijoro ara-dalana sy manana fitsipika mifehy.
Mametram-panontaniana ny mpanara-baovao hoe rahoviana no ho voasokajy isan’ireo sehatra ara-dalana ity taksi moto ity eto amintsika.
Sary indrina : Ireo mpanamory taksi môtô saron’ny mpitandro filaminana.
Hanitra RASOLONJATOVO

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930