Madatopinfo

 Flash Info

ZICODE NOMCEBO TENY AMIN’NY ANKAMASOA : Nodihizin-dry Mopera Pedro mianakavy ny « dance de Jerusalem »

ZICODE NOMCEBO TENY AMIN’NY ANKAMASOA : Nodihizin-dry Mopera Pedro mianakavy ny « dance de Jerusalem »

ZICODE NOMCEBO TENY AMIN’NY ANKAMASOA : Nodihizin-dry Mopera Pedro mianakavy ny « dance de Jerusalem »
novembre 21
06:02 2020

Tsy sanatria « mpisikidy mila voatsiary akory ka ny malemy indray no ampadihizina », araka ny fomba fiteny Malagasy. Dibo-kafaliana tanteraka ireo sembana nanatanteraka ny « Dance de Jerusalem » teny Andralanitra, ny Alakamisy 19 novembra teo. Nanatanteraka fitsidihina an’ireo mpianatra teny amin’ny foibe fanabeazana Akamasoa izay tantanan’i Mompera Pedro Opeka ny andrarezin’ny hira sy dihin’ny “Jerusalema”, Zicode Nomcebo sy ny ekipany. Tsiahivina moa fa anatin’ny heriny tanteraka, manakoako eran-tany ny lazan’ ny tarik’ity andriambavilanitry ny seho sehatra Afrikanina ity, noho ny fidilirana tamin’ny alalan’ny haino aman-jery, indrindra ny fivoizana azy tamin’ireo tambazotran-tserasera nandritra ireny fihobohana ireny.
Tonga nampifaly an’ireo ankizy teny an-toerana ihany koa ny mpanakanto Malagasy andrarezin’ny kawitry, ny tarika Jerry Marcos. Nandray anjara mavitrika koa i Élie sy Edera. Nanolotra hira manokana ho fisaorana an’i Mompera Pedro Opeka, izay Relijiozy Lazarista, Filoha mpanorina ny Akamasoa ireto farany. Nandihy nandritra izany hetsika ara-javakanto goavana izany koa ireo olompirenena manana fahasembanana. Hafaliana moa ny an’ilay mpanakanto andriambavilanitra vahiny avy atsy Afrika Atsimo raha nanatri-maso ireo tanora marobe sahirana ara-pibelomana sy misedra olana ara-batana noho ny fahasembanana izay nianoka tao anatin’ny fafinaretan’ny sofina sy maso tamin’izato firindran’ny dihy sy hira izao. Ny alahady 22 Novambra izao no hanatanteraka ny seho an-tsehatra eny amin’ny Coliseum de Madagascar Atsonjombe ity tarika miondana ny hira sy ny dihin’ny Jerusalema ity ka anasany ireo mpankafy eto Antananarivo sy ny manodidina.
Victorine Ranja RAVAONASOLO/ Haja Nirina

Articles similaires

0 Commentaire

Aucun commentaire sur cet article!

Soyez le premier à commenter!

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930