Madatopinfo

 Flash Info

FAMATSIAN-DRANO ETO ANTANANARIVO: Manana vahaolana maty paika ny Ministeran’ny Rano

FAMATSIAN-DRANO ETO ANTANANARIVO: Manana vahaolana maty paika ny Ministeran’ny Rano

FAMATSIAN-DRANO ETO ANTANANARIVO: Manana vahaolana maty paika ny Ministeran’ny Rano
novembre 27
13:00 2020

Miovaova ny toetr’andro, miakatra ny marimpana, miharitra ihany koa ny rano amin’ny tanàna maromaro raha ny eto Analamanga manokana no asian-teny. Tsy nitazam-potsiny manoloana izany ny fitondram-panjakana, nisy ny fidinana ifotony notanterahan’ny Ministeran’ny Rano, sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, izay notarihan’ny Ministra Voahary Rakotovelomanantsoa ny alakamisy 26 Novambra tany Bemasoandro. Niompana indrindra tamin’ny fihainoana ny feon’ny vahoaka sy fijerena mivantana ireo olana amin’ny rano mianjady amina faritra maro eto Antananarivo izany. Isan’ny olana miverimberina itarainan’ny vahoaka mantsy ny fahatapahan’ny rano izay maharitra ora maromaro. Nambaran’ny Ministra mpiahy fa noho ny fahanteran’ny fotodrafitrasa matetika no tena antony mahatonga io fahatapahan’ny rano io ka izany no nahatonga ny Ministera iadidiany mitady vahaolana andro aman’alina ahafahan’ny vahoaka malagasy misitraka rano fisotro madio ara-dalana. « Efa misy ny fanavaozana ny fantsona izay efa niasa an-taonany maro, eo ihany koa vahaolana hoentin’ny fitondram-panjakana toy ny fametrahana siniben-drano sy ny hampitomboana ho avo roa heny ny isan’izy ireny », hoy ny Ministry ny Rano, Voahary Rakotovelomanantsoa.
Ankoatra izay, tanjon’ity Ministera ity ny ahafahan’ny renivohitry ny Distrika rehetra misitraka ny rano fisotro madio sy hanavao ny fotodrafitrasa tahaka ny fanantaterahana ny tetikasa hanoloana ny fantsona mirefy 148 kilaometatra. Nambaran’ny Ministra ihany koa fa miezaka hatrany ny fitondram-panjakana amin’ny hamatsiana rano amin’ireo Fokontany voakasiky ny tsy fahampian-drano. Raha tsiahivina mantsy, efa nisy ny tetikasa « Avotr’aina » entina hampiroboroboana ny fisitrahan’ny mponina rano eny amin’ireny « kiosques à eau » ireny izay niarahan’ny Ministeran’ny Rano, sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana sy ireo mpiara-miombon’antoka samy hafa.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930