Madatopinfo

 Flash Info

ANTANANARIVO-TOAMASINA-MORAMANGA: Olona 600.000 no hisitraka ny « Avotr’aina » ao anatin’ny telo volana

ANTANANARIVO-TOAMASINA-MORAMANGA: Olona 600.000 no hisitraka ny « Avotr’aina » ao anatin’ny telo volana

ANTANANARIVO-TOAMASINA-MORAMANGA: Olona 600.000 no hisitraka ny « Avotr’aina » ao anatin’ny telo volana
juillet 01
09:30 2020

Notanterahana ny talata 30 Jona teny amin’ny Parvis Analakely ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika « Avotr’aina » izay miompana indrindra eo amin’ny sehatry ny rano sy ny fidiovana. Fantatra nandritra izany fa olona manodididna ny 600.000 amin’ny Faritra ahitana olona mitondra ny valanaretina be indrindra eto amintsika dia ny Kaominina Antananarivo renivotra sy Toamasina ary Moramanga izany. Mandritra ny telo volana araka izany no hanatanterahana ny tetikasa, izany hoe ny volana Jolay hatramin’ny Septambra amin’ity taona 2020 ity. Nanatrika io fotoana io ny Ministry Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana, Voahary Rakotomanantsoa izay nilaza nandritra ny lahateniny fa ny hisitrahan’ny tokantrano tsirairay ny rano fisotro madio no tanjona amin’izao hetsika « Avotr’aina » izao. Ny Sampandraharaha iraisam-pirenena miaro ny zon’ny ankizy na ny UNICEF kosa no isan’ireo mpiara-miombon’antoka amin’izany koa nanotrona io fotoana io ihany koa ny solontenan’ny UNICEF eto Madagasikara, Michel Saint-Lot. Raha ny fantatra mitentina 470.000 dolara ny vola avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka no hanantanterahana ny hetsika « Avotr’aina » ka ny 63.000 dolara dia hatokana amin’ny rano fisotro madio aloha amin’ny JIRAMA ho an’ireo tokantrano tena marefo amin’ireo Faritra telo voalaza ireo. Araka ny fampahafantarana hatrany dia 20 ariary isaky ny rano 20 litatra no saran’ny rano eny amin’ireny toeram-patsakana iombonana ireny raha ny eto amin’ny Kaominina Antananarivo renivotra manokana. Andrasana, hoy hatrany ny Ministry ny Rano, ny hisian’ny fihenam-bidin’ny rano eny anivon’ireny paompy ho an’ny sarambabem-bahoaka ireny hanalefahana ny fahasahiranan’ny vahoaka malagasy ». Ankoatra izay, tafiditra ao anatin’ny hetsika ihany koa ny fizarana savony indrindra ao anatin’izao fisian’ny valanaretina coronavirus eto amintsika izao ka olona 200.000 voasokajy ao anatin’ny tokantrano marefo miisa 40.000 no hisitraka izany. Hisy ihany koa ny fanentanana ny olona hanasa tanana amin’ny savony amin’ny alalan’ny afisy apetaka amin’ireny fiara fitateram-bahoaka sy toerana ifamezivezen’ny olona maro ireny. Amin’ny alalan’ny hetsika « Avotr’aina » hatrany dia fiara manodidina ny 12.500 isa no hotondrahana ranom-panafody, hisy ny fizarana arotava ho an’ny mpamily taxi-be sy ny mpanampiny, hozaraina « gel hydroalcoolique » ihany koa ny mpamily fiara karetsaka sy ny fitateram-bahoaka ary hotondrahana ranom-panafody ireo tokantrano nahitana ny olona mitondra ny valanaretina covid-19 sy ny manodidina azy.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930