Madatopinfo

 Flash Info

EKLESIA EPISKOPALY MALAGASY FARATSIHO : Nakalaza ny faha 135 taona ny “station missionnaire” Anglikana Ramainandro

EKLESIA EPISKOPALY MALAGASY FARATSIHO : Nakalaza ny faha 135 taona ny “station missionnaire” Anglikana Ramainandro

EKLESIA EPISKOPALY MALAGASY FARATSIHO : Nakalaza ny faha 135 taona ny  “station missionnaire” Anglikana Ramainandro
août 24
11:49 2021

Ara- tantara dia anisan’ny toerana niandohan’ny fiangonana Anglikana teto Madagasikara ankoatra ny tany Mahavelona na Full Pointe i Ramainandro. Toerana iray manana ny tantarany sy ny lazany tokoa mantsy ny kaominina Ramainandro ao amin’ny Distrikan’ny Faratsiho. Anisan’ny mampalaza azy ny fisian’ny “MISSIONARY STATION RAMAINANDRO” na “STATION MISSIONNAIRE RAMAINANDRO” izay nahorin’ny Très Vénérable Révérend Eduard Olivier Mac MAHON ny taona 1885 , izy dia isan’ireo misionera tonga nanaparitaka ny finoana Aglikana teto Madagasikara.
Noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia nankalaza ny faha 135 taona niorenany io toeram’pitaizana io. Tamin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana makotroka narahina fandraisana Sakramenta Masina tany an-toerana, ny Alahady 15 Aogositra 2021 lasa teo ; narahina fampirantiana ny tantara niandohan’ny “Station” sy fitsidihana ireo trano sy fasana nitoeran’ireo misionera sy ny fianakaviany ary nofaranana tamin’ny fiaraha misakafo ho an’izay tonga nanatrika io fotoan-dehbe io. Ny Asabotsy 14aogositra dia efa nisy ny famelabelaran’kevitra maro sy fety isan-karazany: ny tolakandro dia notarihin’ny Doyen RAKOTOARIVONY Harisendra izay vao napetraka tamin’ny toerana maha Doyen Distrika Ramainandro azy ny andron’asabotsy io ihany. Ny alina kosa dia nisy ny famoaboasan-kevitra nataon’i Profesora RAZAFIARIVONY Michel mahakasika indrindra ny fidiran’ny finoana Anglikana tao Ramainandro sy teto Madagasikara. Teo anelanelan’izany dia nisy ny seho kanto natolotr’ireo fiangonana manodidina.
Raha tsiahivina ny fotoam’pivavahana fanamarihana ny faha 135 Taona dia teo ambany fitarihin’ny Doyen Harisendra RAKOTOARIVONY sy ny Evekan’ny Diosesy Antananarivo sady filohan’ny foiben’ny Fiangonana Anglikana na ny Eklesia Episkopaly Malagasy dia Mgr RANARIVELO Samoela Jaona izany. Ity farany izay nanazava ny mahakasika ny atao hoe Misionera sy ny asa iandraiketany. Nasongadiny tamin’ireo mpino tonga nanatrika io fotoana io ny andalan-tsoratra masina hoe “mandehana ataovy mpianatro ny firenena rehetra”, izay miresaka indrindra ny baiko nomen’ny Tompo ireo mpianatra ary toizany koa ireo misionera, baiko izay tsy azo lavina ary tsy iadian-kevitra na hanana safidy na koa iadiana varotra. Koa noho izany dia mitaky fahavonona sy fahafoizan-tena izany asa miandry ireo misionera izany. Ny fanoloran-tena anefa dia arahina asa: mahafoy ny tanindrazany sy ny ankohonany ireo misionera ary mandeha any amin’ny tany izay mbola tsy fantatra akory, na ny fiteny, na ny fomba amam-panao, ny toe-tany sns…. Kanefa dia amin’ny maha iraka sy vavolombelona azy ireo dia tsy natahotra izy ireo. Nampahatsiahiviny ihany koa ny fihainampiainan’i Tres Réverend Edouard Olivier MAC MAHON izay nanorina ny “MISSIONARY STATION” izay vao natao jobily ity.
Marihina fa tonga nanatrika izany fotoam-pankalazana izany ny Governora ny faritra Vakinakaratra Andriamatoa Vyvato RAKOTOVAO RAKOTOMADITRA sy ny Solombavam-bahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’ny Faratsiho, ny filoha lefitry ny Antenimieran-doholona Andriamatoa Honoré RANDRIANASOLO, ary ireo Solombavam-bahoaka izay zanaky ny fiangonana avy aty an-drenivohitra toa an’I deputé Mamy RABENIRINA. Na dia ratsy dia ratsy sy mideza aza ny lalana dia tsy nahasakana ny Governoran’ny faritra Vakinakaratra sy ireo mpiara miasa aminy ary ny vahiny, ho tonga nanatrika izao fotoan-ndehibe eo amin’ny fiangonana Anglikana io izany. Mbola hisy moa ny hetsika fanamarihana ny famaranana io taon-jobily io fa kosa atao aty andrenivohitra dia eny amin’ny Katedraly Anglikana Ambohimanoro izany , izay kasaina hatao ny volana OKTOBRA 2021 hoavy izao.
Hanitra RASOLONJATOVO

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930