Madatopinfo

 Flash Info

MINISTERAN’NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY FANOFANANA ARAK’ASA : “Haingam-pandeha ny asa hifampitsarana”, hoy ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy

MINISTERAN’NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY FANOFANANA ARAK’ASA : “Haingam-pandeha ny asa hifampitsarana”, hoy ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy

MINISTERAN’NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY FANOFANANA ARAK’ASA : “Haingam-pandeha ny asa hifampitsarana”, hoy ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy
janvier 17
15:05 2024

Misokatra amin’ireo mpiasan’ny Ministera iandraiketany ny varvarany, hoy ny Minisitra Vaovao Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’asa.
Ny vokatry ny ezaka no ifampitsarana, hoy izy fa tsy ny sahoan-dresaka voizina etsy sy eroa.
Miaraka amin’ny Filoham-pirenena, Andry Nirina Rajoelina, fampandrosoana amin’ny fomba haingana amin’ny maha-TGV azy ny asa”. Io no fanambaran’i Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy, nandritra ny famindram-pahefana avy amin’ny Minisitra teo aloha, Gabriella Vavitsara Rahantanirina, ny talata 16 Janoary teo, tao amin’ny biraon’ny Minisetran’ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’asa, Ampefiloha. Natitranteriny manoloana ny mpanao gazety fa tsy tonga handrava izy : “Hanohy ny tsara vitan’ny rahavaviko aho, izay anisan’ny Minisitra namako indrindra tao amin’ny Governemanta.” Hoy ity Minisitra mpanorina ny antoko Freedom ity. Tsikariny ireo ady mafin’ny Minisitra teo aloha nandritran’ireo filankevitry ny Governemanta sy ny Minisitra ho an’io Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’asa ny tanora io.
Nambaran’ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy fa niahotra ihany izy, tamin’ny fanendrena azy ho amin’ity Ministera ity. “Antony”, hoy izy : “Goavana loatra ny fanambin’ny Filoham-pirenena sy ny Fitondram-panjakana izay mijoro, ho amin’ity departemanta ity.”
Tsy atoro voanjo hadiana ihany koa anefa izy amin’ny fitantanana ny raharaharam-panjakana ambony, noho ny traikefany nandritra ny fehimpotoam-piasana voalohan’ny Filoham-pirenena, tamin’ny nitantanany ny Ministeran’ny Serasera sy Kolontsaina, raha ny fanambarany. Ankoatra ny teny fanajana ireo Tale sy lehiben’ny sampandraharaha maro dia nomeny hasina hatrany amin’ny fandraisam-pitenenany ireo mpanao gazety namany amin’ny maha olon’ny serasera sy ny asa fanaovan-gazety ary mpanorina sy tompona haino vaky jery azy.
Asa vita no hifampitsarana
Aleo indramiko”, hoy izy “Ny tenin’ny andrarezina politika iray hoe : “Ny asa vita no ifampitsarana”, nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy tamin’ny famindram-pahefana tao amin’ny birao sy ny tafa manoloana ireo mpiasan’ny Ministera teny antokontany. Ny an’ity Minisitra no ataony tonga aloha ny fampitam-baovaony : “Maro ny feo nandeha momban’i Lalatiana. Raha mety aminareo dia miara-miasa isika, raha tsy mety dia tongava miresaka fa misokatra aminareo ny varavarana. Tsy tonga hampahory na iza na iza aho”, hoy izy. Nandeha mantsy ny feo fa mahery vaika izy.
Saingy ny mpiasan’ity Ministera ity anisan’ireo manaja sy tia asa ary mihafy. Izy ireo no anisan’ny tsy mba migoka na mpiady tombotsoa manokana tahaka ny Ministera hafa. Azo lazaina fa anisan’ny Ministera faravavy izy ity, raha tsy hitanisa ireo fiara sy fitaovana ary foto-drafitrasa. “Manantena isika fa hotanterahiny aty amintsika ihany koa ireo fandokoana, fikolokoloana, fampitaovana ary fananganana fotodrafitrasa tahaka ny nataony tany amin’ny Ministeran’ny Serasera sy Kolontsaina izay notantanany.” Hoy ny mpiasa iray izay niangavy tsy hotononina anarana, nandritran’ny fanadihadian’ny mpanao gazetinay.
Tojo manam-pahaizana
Mampiavaka ity Minisitra ity ny fitakosonany amin’ny sarababem-bahoaka amin’ny maha-mpanorina antoko azy sy ny maha-mpanao gazety mpitolona azy izay niady tamin’ny jadona sy ny tsy rariny. Anisan’ny nidinany ifotony hatrany amin’ny faritra tamin’izany ny tolona toy ny tany Soamahamanina sy ny “Mouvement pour la liberté d’expression” na MLE. Anisan’ireo mpanao gazety malaza izy nandritran’ny tolona mivaivay izay nitranga teto amin’ny firenena ho an’ny demokrasia. Ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy sisa no azo lazaina fa anisan’ireo niaro mafy ny fitondrana nentin’i Andry Rajoelina tamin’ny faraparany sy nampandany azy nandritra ny fampielezankevitra farany teo manoloana ireo tsikera mavaivay, indrindra notanterahin’ny firaisankinan’ny Kandida.
Tsiahivina fa ankoatra ny traikefa eny an-kianja, manana ny maha-izy azy ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy amin’ny mari-pahaizana tamin’ny sehatry ny lalam-piofanana maro tahaka ny fifandraisana iraisam-pirenena, politika, fitantanana orinasa, asa fanaovan-gazety, lalàna. Nanomboka ny volana Febroary 2021 teo izy no “Doctorante Ph.D” amin’ny sampam-pianarana : “International relations and diplomacy”, ao amin’ny Sekoly ambony malaza “Hautes Etudes Internationales et politiques” na HEIP Paris, any Frantsa. Ny taona 2012 kosa izy no nahazo ny “Master Business Administration” na MBA international izay mari-pahaizana ambony niara-navoakan’ny Oniversite malaza manerantany an’i “Université Paris Dauphine” sy ny “Institut d’Administration d’Entreprise Panthéons- Sorbonne”.
Ankoatra ny fifehezany ny teny Frantsay izay nijoroany vavolombelona tamin’ny fianarana noratoviny tao amin’ny alliance française, nandritra ny taon-jaobily, ny volana janoary 2023, teny Andavamamba, nandalina ary mahafehy ny teny Anglisy ihany koa izy ka nahazoany ny “A1C level”, na “Adcanced 1 Certificat, tao amin’ny “English teaching program, Centre Culturel Americai. Ny taona 2001, nahazo izy no nahazo ny Master spécialisé en journalisme-UFR Journalisme, Oniversite Antananarivo. Ny taona 2000 kosa, ny Master en Droit Public, sampana sciences politiques, tamin’ny Oniversite Antananarivo hatrany. Izahay ekipan’ny MadaTopInfo sy ny mpiasan’ny Ministeran’ny Fampianarana teknika ary ny Fanofanana arak’asa dia miarahaba ary mirary hatrany ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy.
Haja Nirina

Articles similaires

0 Commentaire

Aucun commentaire sur cet article!

Soyez le premier à commenter!

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

juillet 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
293031