Madatopinfo

 Flash Info

COVID ORGANICS : Hadino ny aretimandoza Coronavirus

COVID ORGANICS : Hadino ny aretimandoza Coronavirus

COVID ORGANICS : Hadino ny aretimandoza Coronavirus
avril 28
11:32 2020

Mandrimandry manana aterina! Hadinon’ny mponina tanteraka ny Coronavirus fa ny fombafomba apetraky ny mpitondra no arahin’ny ankamaroan’ny vahoaka. Ifanosehana tanteraka ny fakana tambavy isam-pokontany sy ny tsena mora ka tsy ahitana elanelana iray metatra intdony. Rehefa haka taksibe na handalo mpitandro filaminana koa vao manao sarombava sy orona ny ankamaroan’ny mponin’Antananarivo. Misy manampahefana ara-miaramila sy sivily aza misarona ny vava fa miseho ny vavorona. Noheverina fa misoroka sy manasitrana tanteraka ilay tambavy CVO  ka tsy ao an-tsain’ny Malagasy intsony ilay tsimokaretina mampihorohoro amin’ny firenena maro izay misoko mangina. Lasa resaka politika ilay tambavy ao anaty tambazotran-tserasera ka ny mpomba ny fitondrana izay mijoro midilotra mafy  fa miady amin’ny covid19 ny covid organics. Ny mpanohitra mbola misalasala amin’ny ho fiatraikany. Ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana aza nangatam-panazavana tamin’ny OMS. Ny avara-pianarana maro miandry fanamarinana aratsiantifika. Tsy nahandry ny hevitry OMS ny Filoha Rajoelina fa tsy nihambahamba nandroso ny tambavy izay heveriny fa hanavotra ny vahoaka Malagasy. Tsahivina moa fa ny Filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina mantsy no niandrian’ny tsiny raha tara fanidy sisintany ka nahatafiditra ny Coronavirus teto amin’ny Nosy. Tsahivina mantsy fa ny fankalazana ny 8 Marsa mbola nanizingizina ny solonten’ny OMS manoloana ny mpanao gazety teny Ambohimiandra fa tsy ahitana marary eto Madagasikara ka tsy tokony hanakatona sisintany. Etsy andaniny koa moa mbola nihiboka tany ivelany ny teratany Malagasy maro ka niandry azy ireny vao afaka nanidy ny sisintany ny Fitondrana. Mbola nisy nitsoaka nifampitadiavana koa moa ireo nangorahana avy any ivelany raha tokony nihiboka ka nipariaka tamin’ny faritra maro ity aretimandoza ity.

 

Haja Nirina

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930