Madatopinfo

 Flash Info

CHU ANOSIALA SY HJRB: Nahazo fanampiana ara-pitaovana avy amin’ny Fondation Axian

CHU ANOSIALA SY HJRB: Nahazo fanampiana ara-pitaovana avy amin’ny Fondation Axian

CHU ANOSIALA SY HJRB: Nahazo fanampiana ara-pitaovana avy amin’ny Fondation Axian
août 04
06:15 2020

Raha ny tarehimarika farany navoakan’ny Foibem-pibaikoana momba ny Covid-19 (CCO) omaly alatsinainy 3 Aogositra, miisa 84 ireo olona voan’ny Covid-19 manana fahasarotana mbola manaraka fitsaboana ankehitriny ary ny ankamaroan’izy ireo dia fantatra fa eto Analamanga avokoa. Ho fanohanana sy fiaraha-mientana amin’ny fiadiana atao amin’ity valan’aretina ity eto amintsika, dia nanolotra fanampiana ara-pitaovana ho an’ny Ivon-toeram-pitsaboana mandray an-tanana sy mikarakara ireo mararin’ny coronavirus ny Fondation Axian. Ny 15 Jolay lasa teo mantsy dia nitondra ny anjara birikiny ho an’ny CHU Anosiala izy ireo ka « stabilisateur de tension électrique » izany. Io fitaovana izay tena ilain’ny hopitaly tokoa amin’izao fotoana izao indrindra amin’ny fiovaovan’ny herinaratra any an-toerana. Marary miisa 100 moa raisin’ny CHU Anosiala no hisitraka izany. Raha ny fantatra, niara-nisalahy tamin’ny Fondation Axian tamin’izany ny Entreprise Électricité de Madagascar izay nanampy teo amin’ny lafiny ara-teknika.
Tsy adinon’ny Fondation Axian ihany koa ny tao amin’ny Hopital Joseph Raseta Befelatanana (HJRB) indrindra amin’izao toe-draharaha sarotra ara-pahasalamana lalovan’ny firenentsika izao. Nahazo tavoahangina oxygène fanampiny miisa 15 mantsy ny HJRB izay afaka ampiasaina mandritra ny 24 ora amin’ny 24 ora, 7 andro amin’ny fito andro. Hahazo tombony amin’ity ireo olona mararin’ny coronavirus manana fahasarotana raisina an-tanana eo anivon’ity hopitaly ity. Zava-dehibe ho an’ny HJRB araka izany ny fisian’ireo tavoahangina oxygène ireo satria azo fenoina amin’ny alalan’ilay atao hoe « générateur d’oxygène » eo anivon’ny hopitaly ihany izy ireo.
Raha tsiahivina, tsy vao voalohany akory no nisy ny fanohanana nataon’ny Fondation Axian nandritra ny nahatongavan’ny valan’aretina Covid-19 teto amintsika fa efa nisy teo aloha. Ohatra goavana tamin’izany ny fanomezany fanafody hydroxychloroquine miisa 6.000 boaty ho an’ny fitondrana Malagasy ny volana Aprily lasa teo.

Mickah R.

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031