Madatopinfo

 Flash Info

MINISTERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAMPAHEFANA: Kaominina 698 no nahavitana fanadihadiana momba ny fitantanana ifotony

MINISTERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAMPAHEFANA: Kaominina 698 no nahavitana fanadihadiana momba ny fitantanana ifotony

MINISTERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAMPAHEFANA: Kaominina 698 no nahavitana fanadihadiana momba ny fitantanana ifotony
décembre 31
03:15 2021

Taorian’ny fanadihadiana momba ny Tondron’ny Fitantanana Ifotony ary ny fitantanam-bola ifotony notanterahan’ny avy eo anivon’ny Ministeran’ny atitany sy ny fitsinjarampahefana tohanan’ny PAPSP/Banky Iraisampirenena, ny alarobia 29 desambra lasa teo no nampahafantarana ny vokatr’izany tamin’ny alalan’ny atrikasa teny Ivandry izay niarahana tamin’ireo mpisehatra amin’izany. Hevi-dehibe 3 no dinika nivoitra nandritra ity atrikasa mikasika ny Rafitra Ifotony ny Fikaonan-doha (RIF) ity, teo ny famoahana ireo lesoka sy fanatsarana ho an’ny fanampiana sy tohana ho an’ny Kaominina. Ny faharoa kosa ny fandinihana ireo tombana mikasika ny fitantanana eny ifotony, ahafahana mandrefy ireo Kaominina momba ny ezaka ataony hisian’ny’ny fanjakana tsara tantana ary ahafahana manome ny naoty ho azy ireo. Ny fahatelo kosa ny fampahafantarana ny fanadihadiana notanterahana mikasika ny tetibolan’ny Kaominina, hijerena ny fizakan-tenan’izy ireo tsirairay amin’ny alalan’ireo loharanon-karena misy ao aminy. « Izany no nametrahana ny Rafitra Ifotony ny Fikaonan-doha izay ahitana ny olo-be eo an-tanàna, fikambanan’ny tanora sy vehivavy, ny mpitondra fivavahana, ny sampan-draharaha teknika ara-panjakana, ny solontena eo anivon’ny Kaominina sy ny Mpanolon-tsaina ary ny Fokontany », hoy ny Talen’ny fanaraha-maso ny fitsinjarampahefana sy ny fampandrosoana ifotony, Alain Ramanana. Namoaka ny salanisa 3,81 amin’ny 10, izany hoe Kaominina miisa 698 tamin’ireo 1695 moa no nahavita ny fanadihadiana mikasika io RIF io. Amin’ny taona 2023 kosa, fanamby hoan’ny Ministeran’ny atitany sy ny fitsinjarampahefana ny ahatrarana salanisa mihoatra ny 6 amin’ny 10 amin’ireo antsakin’ny isan’ny Kaominina manerana an’i Madagasikara.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930