Madatopinfo

 Flash Info

AHMADIYYA VITA RAMADAN : Nahazo ny anjara fanomezana na ny kristianina aza

AHMADIYYA VITA RAMADAN : Nahazo ny anjara fanomezana na ny kristianina aza

AHMADIYYA VITA RAMADAN : Nahazo ny anjara fanomezana na ny kristianina aza
mai 18
09:31 2021

Kristianina tokoa tsy manda fanomezana! “Savony, vary, sira, paty, lamba firakotra. Ireo no fanampiana azonay tamin’ny Fivavahana Silamo amin’izao vita Ramadan izao.” Io no filazan’ny renim-pianakaviana avy amin’ny finoana kristianina iray nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety, ny 18 mey teo, teny amin’ny tokontany malalaky ny sekoly Ahmadiyya Andavamamba. Voalazan’ny Misionera ao amin’io Fiangonana Silamo io fa tsy ny Mozilmano ihany no nomena fanampiana fa ireo rehetra mila izany.
Nanamafy moa ny Misionera Moussah arak any fomba fitenin’ny mpitarika azy ireo ny hoe : “Ny fitiavana ho an’ny olona rehetra, ny fankahalana kosa tsy natao ho an’iza na iza”. Nahatratra 1200 isa ireo nizarana ireo fanomezana ireo, raha ny teto Antananarivo renivohitra fotsiny ihany. Mbola mipariaka any amin’ny faritra tahaka an’ny Fianarantsoa, Toliary, Manakara moa ity sampam-pivavahana Silamo ity ka samy manatanteraka izany fanampiana ny mpiara-belona izany avokoa ny any an-toerana.
Tsiahivina fa efa fomba amam-panao Silamo ny fizarana ireo voaangona nandritra ny volana Ramadan toy izao. “Tsapanay nandritra io fifadiankanina io ny fangirifiriana mpahazo ireo kamboty, sahirana, mpangataka … izay tsy misakafo. Noho izay traikefa amin’ny fijaliana izay no mahatonga anay mitsinjo manokana ireo niangaran’ny vintana toy izao.” Hoy Hatrany ny Misionera Moussah. Voalaza moa fa nahazo alalana ary manaraka tanteraka ny fepetra amin’ny fahamehana ara-pahasalamana eto amin’ny firenena izao asa fitiava-namana izao.
Sary : Voahaja ny elanelana iray metatra tamin’ireo sahirana nahazo fanampiana.
Haja Nirina/ Harana Celse

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031