Madatopinfo

 Flash Info

8 MARTSA 2022 : Hiova any amin’ny Distrika an’Antsirabe ny fankalazana nasionaly

8 MARTSA 2022 : Hiova any amin’ny Distrika an’Antsirabe ny fankalazana nasionaly

8 MARTSA 2022 : Hiova any amin’ny Distrika an’Antsirabe ny fankalazana nasionaly
mars 03
18:30 2022

Mbola ao anatin’ny ivon’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra i Madagasikara amin’izao fotoana izao, ny rotsak’orana ihany koa mbola mitoetra manerana ny faritra maro indrindra amin’iny faritra atsimo atsinanan’ny Nosy iny. Ny takaitra navelan’ny rivodoza nifanesy manginy fotsiny, na ara-pitaovana izany na ara-tsosialy. Manoloana io faharavana sy haratsin’ny fotodrafitrasa any amin’ny Distrika Manakara io, nanao fanambarana ny Ministry ny mponina ny tolakandron’ny alakamisy 3 martsa fa hiova any Antsirabe no hanatanterahana ny fankalazana nasionaly ny andron’ny 8 martsa amin’ity taona ity raha saika nokasaina ny Distrikan’ny Manakara Faritra Vatovavy no handray izany. « Ho fisorohana ny voka-dratsy mety aterak’io takaitra io amin’ireo mpizaika ho avy any an-toerana no antony nandraisan’ny ministeran’ny Mponina sy ireo Komity mpikarakara ny 8 martsa ity fanapahan-kevitra ity », hoy ny Ministra Soafilira Princia. Voalaza fa tsy misy akory ny fiovan’ny fandaharam-potoana ary manaraka izay rehetra voarakitry ny tondrozotra nankatoavin’ny filan-kevitry ny ministra ihany no hotanterahana amin’io fankalazana nasionaly any amin’ny faritra Vakinankaratra io. Nanatitratitra ny fialan-tsiny lehibe ho an’ireo mpandray anjara sy ny vahoaka malagasy tsivakivolo ny ministry ny Mponina sy ny mpanomana rehetra manoloana izao fiovana izao. « Viavy miavotse, miatrika sy mifanampy, taratry ny fitovian-jo, antoky ny fampandrosoana lovain-jafy » moa no lohahevitra hanamarihan’i Madagasikara ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy amin’ity taona ity.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930