Madatopinfo

 Flash Info

VISA AKORY: Maimaim-poana ny fanokafana ny kaonty ho an’ny mpanjifan’ny Orange Money

VISA AKORY: Maimaim-poana ny fanokafana ny kaonty ho an’ny mpanjifan’ny Orange Money

VISA AKORY: Maimaim-poana ny fanokafana ny kaonty ho an’ny mpanjifan’ny Orange Money
novembre 20
06:10 2022

Ho afa-pahasahiranana ireo mpanjifan’ny Orange Money mpikirakira fiantsenana « en ligne » noho ny fisian’ny Visa Akory izay mifandray amin’ny laharana finday Orange ihany. Nampahafantarina ny alakamisy 17 novambra lasa teo teny Ankorondrano ity vokatra vaovaon’ny Orange Money ity. Nambaran’ny Tale Jeneralin’ny Orange Money Madagascar, Frédéric Debord nandritra izany fa ny mpanjifan’ny Orange manana karazana finday rehetra dia afaka misitraka ity tolotra elektronika vaovao ity avokoa ary ihany koa tsy voatery hanana kaonty amin’ny banky. Mila manana « application Orange Money » na manindry ny #144# 6 fotsiny ny mpanjifa dia misokatra eo noho eo ny karatra Visa. Tsy misy sandany ny fanokafana ny Visa Akory ary sarany 1.000 ariary monja isaky ny mampiasa azy kosa no aloha amin’izany, hoy hatrany ny fanazavana.
« Tsotra no sady vooaro ny fampiasana ny Visa Akory, mitaky tarehimarika miafina Orange Money ary mbola misy kaody anankitelo tonga amin’ny alalan’ny someso avy eo, miova isaky ny 15 minitra ihany koa rehefa mampiasa ny tolotra fa ny laharan’ny karatra Visa kosa no tsy miova », hoy ny tompon’andraikitry ny tetikasa Orange Money, Nandrianina Randrianatoandro. Isan’ny tombony ho an’ny mpanjifa ihany koa ny fisokafan’ny tolotra 24/24 ora 7/7 andro ary mampihena ny fivezivezena sady afaka ampiasaina amin’ny tranokala eto an-toerana sy any ivelany ny Visa Akory. Ankoatra izay, isan’ny tombony ihany koa ny ahafahana mandoa vola amin’ny aterneto toy ny « streamin, gaming » sy ny maro hafa amin’izany. Tsiahivina moa fa misa manodidina ny 1 500 000 ireo mpampiasa ny tolotra Orange Money eto Madagasikara ary points de vente 15.000 no misandrahaka manerana ny Nosy.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930