Madatopinfo

 Flash Info

ANTOKO POLITIKA UNDD : Naneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena sy ny hetsika hotanterahany

ANTOKO POLITIKA UNDD : Naneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena sy ny hetsika hotanterahany

ANTOKO POLITIKA UNDD : Naneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena sy ny hetsika hotanterahany
avril 30
08:15 2022

Nangina, tsy naharenesam-peo tanatin’ny fotoana maromaro izay ny antoko Union Nationale pour le Développement et la Démocratie na UNDD. Nifoha tamin’ny torimasony kosa ary avy hatrany dia naneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena sy ny zava-pitranga misy eto Madagasikara ity antoko politika izay natsangan’i Profesora Zafy Albert ity. Nanatanterana fanambarana niezinezina ny Birao Politika ny zoma 29 Aprily lasa teo tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Villa « La franchise » Alarobia. Teboka maro no nivoitra nandritra izany ny fanambarana, voaresaka ny mety hisian’ny krizy sosialy mahery vaika sy ny krizy ara-politika mamaivay ateraky ny fifidianana. « Fahantrana, tsy fandriampahalemana, kolikoly, tsy fisian’ny tena filaminana sy fitoniana politika, tsy fahatokisan’ny vahoaka sasany ny andrim-panjakana na ny rafi-panjakana misy ; ireo no isan’ny fambara mety hiteraka ny krizy eto amin’ny firenena », hoy i Manoro Régis, Sekretera Jeneralin’ny UNDD sady Filoha Nasionaly vonjimaika.
Voarakitra tao anatin’io fanambarana io ihany koa fa ny antoko UNDD dia milaza amin’ny fomba mazava sy tsy mivilivily fa mandalo kihon-dalana sy fotoan-tsarotra indray ny firenena ka manoloana izany dia tsy hitazam-potsiny ny antoko araka ny soatoavina sy ny etika politika nitondrana ny mpikambana ao aminy. Hitondra ny anjara birikiny amin’ny fiatrehana sy fikaroham-bahaolana amin’izany ny antoko. Tsy vahaolana ho azy ireo ny fanonganam-panjakana ary miantso ny herivelona rehetra ny UNDD hiara-hisalahy hamadika ny pejin’ny fahantrana, hanorina firenena vaovao sy vanona. « Miantso ny Filohan’ny Repoblika mba handray fepetra rehetra atao mba hirosoana amin’izany sy hametrahana filaminana maharitra eto amin’ny tanindrazana sy hampihavana marina ny Malagasy hahafahana mankany amin’ny asa fampandrosoana », hoy hatrany ny fanambarana. Ankoatra izay, nampahafantarin’ny antoko « Union Nationale pour le Développement et la Démocratie » fa handray anjara sy hanotrona ny fihaonamben’ny FITEFA (Fikambanan’ny Zanaky ny Faritanin’Antsiranana) ny alahady 1 May ao Amparibe ny solontenan’izy ireo. Hitohy any Ambilobe amin’ny volana Oktobra 2022 kosa ny hetsiky ny UNDD izay hanatanterahana ny lanonam-pahatsiarovana ny nahalasana an’i Profesora Zafy Albert ary amin’io fotoana io ihany koa no hanaovana ny Kongresy Nasionaly ka hifidianana ny Birao Politika hitarika ny antoko. Hankalazaina any an-toerana ihany koa ny faha-32 taona nijoroan’ny UNDD ary handraisan’izy ireo ny fanapahan-kevitra mikasika ny fifidianana amin’ny taona 2023.

M.R

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031