Madatopinfo

 Flash Info

WIKICHALLENGE 2021: Ny sekolin’ny ADSF Antananarivo no nandrombaka ny laharana voalohany

WIKICHALLENGE 2021: Ny sekolin’ny ADSF Antananarivo no nandrombaka ny laharana voalohany

WIKICHALLENGE 2021: Ny sekolin’ny ADSF Antananarivo no nandrombaka ny laharana voalohany
juillet 05
09:00 2021

Iray tamin’ireo 100 mahery nandray anjara tamin’ny fifaninana WikiChallenge izay nokarakarain’ny Fikambanana Wiki In Africa i Madagasikara tamin’ity taona ity. Nahazo ny loka voalohany tamin’izany ny mpianatra avy amin’ny sekoly ho an’ny moana sy marenina ADSF Antananarivo ary nahazo vola mitentina 5.000 euros. Vakodrazana no nentin’izy ireo nandresen-dahatra ny mpitsara nandritra ny fifaninana. Ireo 3 mpandresy nosafidian’ny mpitsara avy amin’ny Fondation Orange moa dia samy nahazo ilay 5.000 euros avokoa ho amin’ny fitaovam-pianarana ao anatin’izany ny kitapo, kahie sy solosaina. Ny ADSF Antananarivo Madagasikara, ny mpifaninana avy ao amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo, ary avy any Senegaly ireo mpandresy telo voalohany ireo. Ankoatra azy ireo dia nomena valisoa ihany koa ireo mpandresy teo anivon’ny fifaninana nasionaly teto Madagasikara miisa roa ary notolorana 2.000 sy 1.000 euros izy ireo, dia ny EPP Ilafy sy EPP Maibahoaka izany.
Isan’ny sivana nandraisana anjara tamin’ity fifaninana ity moa ny taonan’ny mpianatra izay feno 9 ka hatramin’ny 13 taona mianatra ao amin’ny Sekoly nomerika eto Afrika, napetraky ny Fondation Orange. Ny fifaninana WikiChallenge izay nanomboka tamin’ny taona 2017 mantsy dia ahafahan’ny mpianatra mianatra mahita ny haitao nomerika, hivoatra amin’ny asa soratra ary mizara ny kolontsaina eo an-toerana amin’ny eran’izao tontolo izao. Tsiahivina koa fa nanomboka ny taona 2014 dia nanangana Sekoly nomerika 156 misandrahaka amin’ny Faritra 22 manerana ny Nosy ny Orange Solidarité Madagascar. Tanjon’ny fandaharan’asa Sekoly nomerika araka izany ny hanamorana ny fampidirana ny programa fanabeazana amin’ny alalan’ny fitaovana nomerika ho an’ny kilasy ambaratonga voalohany sy faharoa. Izany moa dia ahafahan’ny mpianatra malagasy mahazo vokatra tsara. Ny Sekoly nomerika ihany koa dia mandray anjara goavana amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana sy fampiroboroboana ny fanabeazana nomerika.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930