Madatopinfo

 Flash Info

PANTEKOTY ARSIDIOSEZY TOLIARY : Nahazo mangahazo iray gony ny Arseveka

PANTEKOTY ARSIDIOSEZY TOLIARY : Nahazo mangahazo iray gony ny Arseveka

PANTEKOTY ARSIDIOSEZY TOLIARY : Nahazo mangahazo iray gony ny Arseveka
mai 19
08:47 2021

Araka ny fampitam-baovaon’ny seraseran’ny missionnaires de la paix na MIP, ny alatsinainy 17 mai. «Nandeha nanatitra balahazo iray gony ho an’i Mgr Fulgence Rabeony, arsevekan’i Toliara, sy ho an’ny pretra, ireo solontenan’ny Akany Longosoa, Ampasy, tantanan’ny MIP.» Manohy ny fampitam-baovao hatrany ny MIP fa ny filoha Salomon, Nahoda Masinavy, Nahoda Zefoa no nitarika ny fankasitrahana. Tsiahivina fa Mgr Fulgence Rabeony moa efa namangy ny Akany ny volana janoary 2020. Fifampizarana fiadanana sy hafaliana hatrany ny fifaneraserana.
Fetim-bokatra
Ny pantekoty izay hankalazaina ato ato tokoa raha ny ao amin’ny Soratra masina dia fankalazana ny fetim-bokatra. Teo amin’ny Malagasy nahitana ny santa-bary, izay voaloham-bokatra nentina nankasitrahana ilay Nahary sy ny razana. Mifanojo amin’izany mihitsy ity fanomezana balahazo ity. Niteraka resabe teo amin’ny haino aman-jery sy ny tambazotran-tserasera ity fanomezana mangahazo ny ray am-panahy ity. Saingy sakafo anisan’ny manana ny maha-izy azy izany amin’iny faritra iny.
Mampatsiaro ilay mpanao gazety iray izay nanatanteraka iraka amin’ny sehatry ny haino aman-jery ka nisafidy teo imason’ny besinimaro, indrindra teo anatrehan’ireo teratany vahiny fa nisafidy io haninkotrana io izy ho sakafo atoandro. Tsy mahagaga ihany koa raha vary no vatsy tsinjo ho an’ny faritra maro fa nahitana mangahazo izany ho an’ny faritra atsimo.
Haja Nirina

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031