Madatopinfo

 Flash Info

ORANGE MONEY SY PAMF : Namoaka ny tolotra ara-bola nomerika vaovao antsoina hoe: « Tahiry Be”

ORANGE MONEY SY PAMF : Namoaka ny tolotra ara-bola nomerika vaovao antsoina hoe: « Tahiry Be”

ORANGE MONEY SY PAMF : Namoaka ny tolotra ara-bola nomerika vaovao antsoina hoe: « Tahiry Be”
décembre 01
06:23 2021

Efa nanomboka tamin’ny volana aprily 2018 no naira-niasa ny Orange Money Madagascar sy ny Première Agence de Microfinance Madagascar (PAMF) amin’ny alalan’ny tolotra m-kajy. Io serivisy io dia ahafahana mitahiry sy mahazo fampindramam-bola mivantana amin’ny alalan’ny finday.
Tsy mitsahatra miroborobo sy nahitana fahombiazana hatrany izany fiaraha-miasa teo amin’ny roa tonta izany, namoaka ny tolotra tahiry vaovao nomerika antsoina hoe: « Tahiry Be » izay nampahafantarina teny amin’nyfoiben-toeran’ny Orange Madagascar eny Ankorondrano ny talata 30 Novambra. Ny « Tahiry Be » dia vahaolana hitehirizam-bola sy azo ampiasaina amin’ny fotoana rehetra 24ora/7andro ao amin’ny menu #144# ary ihany koa azo idirana amin’ny finday rehetra misy kaonty Orange Money. Amin’ny alalan’ny « Tahiry Be » m-kajy, ny mpampiasa Orange Money dia afaka mametraka ny volany amin’ny fotoana rehetra ao amin’ny kaonty tsy kitihana (bloqué) hatramin’ny 6 volana ary ahazoana zana-bola hatramin’ny 5,5% net isan-taona. Ahafahan’ny mpanjifa mitantam-bola mahomby ary azo antoka, ireo ihany koa dia anisan’ny tombony ho an’ireo mpanjifa misitraka ny tolotfa.
Ho an’ireo hampiasa ilay vokatra vaovao “Tahiry Be” kosa dia tsy maintsy miditra ao amin’ny “menu” Orange Money #144#, avy eo manindry 4, misafidy ny 1 kosa avy eo, ny 2 aorian’izay ary misafidy ny 2-Tahiry Be.
Ankoatra izay, ireo mpanjifa rehetra mampiasa ny “Tahiry Be” ny 1 ka hatramin’ny 31 desambra 2021 dia mandray anjara avy hatrany amin’ny fisarihana goavana (Tombola) izay hahazoana vola mitentina 4.000.000 ariary.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930