Madatopinfo

 Flash Info

ANMCC MADAGASIKARA: Hiroborobo ny fiarovana ny taninketsa indostrialy

ANMCC MADAGASIKARA: Hiroborobo ny fiarovana ny taninketsa indostrialy

ANMCC MADAGASIKARA: Hiroborobo ny fiarovana ny taninketsa indostrialy
mai 19
07:09 2022

Kitro ifaharan’ny toekarena ny indostria noho izy miteraka asa ho an’ny malagasy indrindra mampihena ny fiankinan-doha avy any ivelany satria raha ny fantatra, mahatratra 80 isan-jaton’ny fanjifana eto an-toerana dia entana hafarana avokoa. Isan’ny vahaolana aroson’ny Fahefam-pirenena miandraikitra ny fepetra fanitsiana ara-barotra (ANMCC) manoloana io fitobaky ny entana avy any ivelany io ny hampiakatra ny tanjak’ireo orinasa ahafahany mifaninana eo amin’ny sehatry ny varotra maneran-tany. Velirano fahafito rahateo ihany koa ny fampiroboroboana ny indostria. Nisongadina nandritra izay 5 taona nijoroan’ny ANMCC izay tokoa mantsy ny fampandehan-draharaha tamin’ny alalan’ireo fitaovana samy hafa ahafahana manaja ny fitsipika iraisampirenena momba ny fepetra fanitsiana ara-barotra, teo ihany koa ny fanamafisana traikefa sy fampitaovana isan-karazany. « Vokatra azo tsapain-tanana ny fitsanganan’ny orinasa vaovao miisa 11 vokatry ny fepetra fiarovana. Nanatanteraka fanadihadiana miisa 10 ihany koa ny ANMCC, ka ny paty sy savony ary ny bodofotsy no nandraisana fepetra fiarovana tamin’izany izay nahazoana vokatra 24 miliara ariary. Manodidina ny 900 kosa no asa niforona tao anatin’ny 3 taona», hoy ny Tale Jeneralin’ny ANMCC, Barthelemy. Tsy mijanona hatreo anefa ny ezaka izay hotanterahana fa mbola hisy fitetezam-paritra hamphafantarana ny vahoaka ny andraikitra, ny vokatra sy ny olana nosedrain’ny ANMCC. Tanjona amin’ny fankalazana ny fahadimy taonan’ny ANMCC rahateo ny fivoizana misimisy kokoa ny asa sahaniny. Notanterahana ny alarobia 18 Mey moa ny fanamarihana ny fahadimy taona nijoroan’ny Fahefam-pirenena miandraikitra ny fepetra fanitsiana ara-barotra. Hetsika miavaka no nentina nankalazana izany, tao amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny Indostria Antaninarenina (CCIA) kosa no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika. Ankoatra ny fianakaviamben’ny ANMCC, tonga nanome voninahitra ny lanonana ny delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, notarihan’ny Sekretera Jeneraliny, Onja Miandry Rakotondramanana izay nanamafy sy nanentana hatrany ny hanjifan’ny malagasy ny vokatry ny indostria eto an-toerana. Nanatrika ity lanonana ity ihany koa ireo solontenan’ireo fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa, ireo indostria nahazo vokatsoa tamin’ny alalan’ny ANMCC. Ankoatra izay, nisy ihany koa ny tranoheva nahitana varotra fampirantiana teo amin’ny zaridaina an’Antaninarenina ho fanamarihana hatrany ity fahadimy taonany ity izay azon’ny daholobe notsidihina. Nitohy tamin’ny famelabelaran-kevitra teny amin’ny CCIA nitondra ny lohahevitra : « Ny taninketsa indostrialy sy ny fiarovana ny indostria vao mitsangana » kosa ny tolakandro.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930