Madatopinfo

 Flash Info

ANKADIFOTSY. FANENDAHANA TAXI : Nifamihina teo amin’ny sezan’ny mpandeha ilay jiolahy sy ny mpanamory fiarakaretsaka

octobre 22
16:20 2020

Tovolahy iray voalaza fa nanendaka sy nisoloky mpitondra taxi vao izao no nitangoronan’ny mpandeha an-tongotra teo ambony tetezan’ny Behoririka. Nogiazan’ilay mpamily sady nofihininy mafy tahaka ireny mpifankatia tao anaty fiarakaretsaka moa izy io ka tsy afa-nihetsika. Saron’ny polisin’ny kaomisaria an’Antaninandro ilay heverina fa olondratsy, taorian’ny antso nataon’ny tsara sitrapo nampandre ny mpitandro filaminana boriborintany faha-3. Nentina avy nihazo ny birao fiasan’ny polisy hanatanterahana ny fanadihadiana sy ny famotorana. Marihina fa nogiazan’ilay olondratsy ny fanalahidin’ny fiara ka efa lasan’ny mpitandro filaminana sahabo ho 10m hihazo ny kaomisaria ilay jiolahy vao nenjehin’ilay mpamily. Volazan’ny nanatri-maso fa olona manana andraikitra eo amin’ny fiaraha-monina sady manana ny maha-izy azy ity voasarangotry ny haraton’ny polisy ity. Andrasana arak’izany ny tohin’ny raharaha.
La rédaction

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031