Madatopinfo

 Flash Info

SSMAF ANDIANY FAHATELO: Hivelatra amina Kaominina 16 mandrafitra an’Avaradrano

SSMAF ANDIANY FAHATELO: Hivelatra amina Kaominina 16 mandrafitra an’Avaradrano

SSMAF ANDIANY FAHATELO: Hivelatra amina Kaominina 16 mandrafitra an’Avaradrano
juillet 17
18:32 2023

Raha tamin’ny taona 2020 no nanomboka ny hetsika antsoina hoe: « Suburbain Sport Music and Art Festival » na SSMAF izay karakarain’ny orinasa BTC Ambohimangakely isan-taona, miditra amin’ny andiany fahatelo kosa izany amin’ity taona ity ny 15 Jolay ka hatramin’ny 16 Septambra. Nandritra ny andiany roa teo aloha, nijanona teo anivon’ny Kaominina ambanivohitra Ambohimangakely ihany ity hetsika ity, fa amin’ity taona ity kosa dia hihitatra manerana ireo Kaominina 16 mandrafitra ny Distrika an’Avaradrano ny SSMAF. Ny sabotsy 15 Jolay lasa teo no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny SSMAF izay natrehan’ny Ben’ny Tanànan’Ambohimangakely sy Alasora teny amin’ny foiben-toeran’ny BTC. Nandritra izany no nanambaran’i Ben’ny Tanànan’Ambohimangakely, Radafy Thierry fa zava-dehibe izao hetsika izao satria manamafy ny firaisankina eo amin’ny Kaominina miisa 16. Nambarany fa: « tsy vao voalohany akory izao faraha-miasa eo amin’ny Kaominina Ambohimangakely sy ny BTC izao fa efa nisy teo aloha ary hirariana mbola hitohy hatrany izany ». Araka ny nahafantarana ny SSMAF, hibahan-toerana ny lalao ara-panatanjantena sy ny seho ara-koltoraly. Hisy ny fifaninanana artistika toy ny pika sary ny 17 hatramin’ny 31 Jolay, ny dihy kosa hanomboka ny 31 Jolay ary hifarana ny 14 Aogositra. Ny SSMAFZah ihany koa dia hotanterahana ny 15 hatramin’ny 31 Jolay ho avy izao raha ny 01, 02 ary ny 03 Septambra no hanatontosana ny tsenabe hahitana varotra fampirantiana handraisan’ireo orinasa maro anjara eny amin’ny tany malalaka Antanetibe Behitsy. Hahazo loka avokoa araka izany ireo hivoaka mpandresy amin’ny fifaninanana rehetra. Tsy ho latsa-danja ihany koa ny fanatanjahantena izay misy sokajy maro samy hafa toy ny baolina kitra, tsipy kanetibe, basketball, volleyball, baolina lavalava, jeu d’échec, billard. « Tanjona ny hampiroborobo ny firahalahiana manerana ny Kaominina 16, porofo izany ny amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny FIBA na ny Fivondronan’ny Ben’ny Tanànan’ny Distrika an’Avaradrano », hoy i Rass, mpanakanto sady tompon’andraikitra eo anivon’ny SSMAF.
Mandritra ny lanonam-pamaranana ny SSMAF andiany fahatelo moa no hanolorana ny lokan’ny mpandresy rehetra tamin’ny lalao, hisy ihany koa my seho ara-javakanto handraisana mpanakanto maro anjara.

M.R

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031