Madatopinfo

 Flash Info

CORONAVIRUS AMBATONDRAZAKA : 36 notiliana, iray no voa izay niteraka fahatairana ho an’ny mponina

CORONAVIRUS AMBATONDRAZAKA : 36 notiliana, iray no voa izay niteraka fahatairana ho an’ny mponina

CORONAVIRUS AMBATONDRAZAKA  : 36 notiliana, iray no voa izay niteraka fahatairana ho an’ny mponina
mai 30
12:02 2020

Olona iray nahitana soritraretina no voamarina fa mitondra ny tsimokaretina coronavirus aty Ambatondrazaka, ny talata 26 Mey teo. Efa mandray ny fitsaboana sahaza azy any Toamasina izy io amin’izao fotoana izao. Andrasana kosa ny vokam-pitiliana natao tamin’ireo olona miisa 36. Arakarak’izay no hanarahana ny toromarika rehetra avy amin’ny fitondram-panjakana malagasy momba ny fandraisana an-tanana ny marary. Ao amin’ny hopitaly Ambatondrazaka no hanaovana ny fitsaboana raha sanatria misy indray ny mitondra ny tsimokaretina. Ny ao anatin’ny « centre operationnel »najoro isam-paritra no mifanome tanana amin’ny fikarakarana ny marary raha mbola tsy misy soritraretina sy tsy ahiana loatra ny fahasalaman’ilay olona. Misy ny fitaovana natolotry ny Fanjakana ho an’ny distrikan’ Ambatondrazaka hoenti-miatrika izany. Marihina hatrany fa fahatairana ho an’ny mponin’Alaotra ny naharenesana voalohany ity aretimandoza ity taty amin’ny faritra. Ankoatra ny fiarovana ny aina dia hisy vokany amin’ny fiainana andavanandro mantsy izany.
Lamina
Namoaka naoty ny prefektioran’ Ambatondrazaka fa tsy maintsy mikatona ny tsena manomboka amin’ ny iray antoandro.Tsy misy mahazo misokatra intsony manomboka amin’io ora voalaza io raha tsy ny ampitso indray.Tsy maintsy manao aro-tava kosa ny olona izay tsy maintsy hivoaka ny trano. Manaramaso manodidina ny tanana ny mpitandro ny filaminana ary manasazy avy hatrany raha misy ny tratra tsy manara-dalana.
Fy Randria

Articles similaires

0 Commentaire

Aucun commentaire sur cet article!

Soyez le premier à commenter!

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930