Madatopinfo

 Flash Info

FANAFIHANA SESY LANY MAINTIRANO : Mpaka ankeriny sarona, tompon’omby namoy ny ainy, raim-pianakaviana voakapa famaky

FANAFIHANA SESY LANY MAINTIRANO : Mpaka ankeriny sarona, tompon’omby namoy ny ainy, raim-pianakaviana voakapa famaky

FANAFIHANA SESY LANY MAINTIRANO : Mpaka  ankeriny sarona, tompon’omby namoy ny ainy, raim-pianakaviana voakapa famaky
décembre 26
08:05 2023

Mpiavy avy any amin’ny Faritra Androy no nindaosin’ny fahafatesana, noho ny fanafihan-dahalo miisa enina mirongo basy telo tao amin’ny kaominina Mafaijijo, Maintirano, tamin’ny zoma 22 desambra teo, sahabo tamin’ny 3 ora tolakandro. “Eo am-pihomanana hitondrana ny razana ho any Bekily ireo valovotaka any Maintirano”, hoy ny lehiben’ny FIP any an-toerana izay sendra nanatanteraka fisafoana tamin’ny fambolena sahan’ala izay iandraiketany, taorian’ny tranga. Ny angom-baovao hafa ihany koa no nahazoana fa mbola anaty fiandrasam-paty sady mivory ireo Antandroy, noho ny fomban-taniny ka ahiana hitatra ity raharaha ity.
Tao amin’ny kaominina Mafaijijo ihany, loharanom-baovao hafa avy any Maintirano koa no nampita fa, nahatratra telopolo ireo omby very lasan’ny malaso mananika ny telopolo, ny alakamisy tamin’ny 10 ora alina. Noho ny habetsahan’ny rotsak’orana ny alina nitrangan’ny fanafihan’ireo dahalo, ny ampitso maraina vao nananara-dia ny fokonolona ka mbola mitohy hatramin’izao fotoana hanoratana izao izany ary mbola tsy nahitam-bokany. Tsiahivina fa zandary roa fotsiny no misahana io kaominina midadasika io. Manoloana ny be noho ny vitsy, andihizan’ireo olondratsy any amin’ny faritra iny, ka miha mahazo vahana ny fanafihana mitam-piadiana tato ato. Ireo manam-pahefana ara-miaramila sy sivily any Maintirano, indrindra ny ao amin’ireo Fokontany sy kaominina Mafaijijo miandrandra paikady avy amin’ny Fanjakana foibe sy ireo ministera mpiahy.

Fakana ankeriny sy kakay

Tambazotra mpaka ankeriny no ravan’ny mpitandro filaminana avy eo amin’ny FIP ny alin’ny sabotsy teo. Zaza vavy latsaky ny 10 taona, zanaka mpivarotra vary eo Maintirano no nentin’ireo tsy mataho-tody ka nitaky dimy tapitrisa ariary. Teo am-panaterana io lelavola avotr’aina io, tao amin’ny fokontany Mahazoarivo, kaominina Andabotoka no tafiditra tao anaty haraton’ny mpitandro filaminana ireo roa mpaka ankeriny ka nentina eo Maintirano hanatanterahana ny fanadihadiana.
Ahiana ho valifatin’io fakana ankeriny io, jiolahy valo lahy no nihaodihaody teo amin’ny toerana fakana ankeriny, eo Maintirano renivohitra. Voatery nafindra toerana ireo mpanatitra vola tany amin’ny fokontany Mahazoarivo, kaominina Andabotoka, ho fiarovana ny ain’ izy ireo. Marihina moa fa mbola arahi-maso any amin’ny toeram-pitsaboana iny fahasalaman’ilay zazavavy nalaina ankeriny.
Ny alin’ny krismasy io ihany, sahabo ho 200m mahery miala eo amin’ny tranon’ny fianakavian’ilay lasibatry ny fakana ankeriny, jiolahy maro nidritra tao amina tokatrano iray ka nikapa famaky ny raim-pianakaviana. Voalaza fa kakay noho ny tsy fahafahampo tamina valim-pitsarana izao fandratrana izao. Ny mpitsabo any an-toerana no nilaza fa avotra ny ain’ity raim-pianakaviana voaratra ity. Mbola anaty fanadihadiana ireo mpitandro filaminana any Maintirano mahakasika ireo fanafihan-jiolahy nisesy tao anatin’ny efatr’andro ireo, raha ny fampitam-baovao.

Sary fanehoana

Mickah R.

Articles similaires

juillet 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
293031