Madatopinfo

 Flash Info
  • MVOLA SY VOILADOC : Miara-miasa ho fisitrahan’ny malagasy tolotra ara-pahasalamana azo antoka Isan’ny zo fototry ny olona tsirairay ny fahasalamana, noho ny tsy fahampiana sy ny halaviran’ny toeram-pitsaboana amin’ny toerana sasany anefa dia maro ny olona indrindra any ambanivohitra no tsy misitraka...
  • FIKAMBANAM-PIANTOHANA M.A.MA: Mitohy ny fampiroboroboana ny taranja ara-panatanjahantena Tanjon’ny orinasa Malagasy M.A.MA (Mutuelle d’Assurance MAlagasy) ny hametrahana fitokisana eo amin’ny samy mpikambana tsirairay ao anatin’ny Fikambanam-piantohana ho amin’ny fitantanana mahomby. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezan-danja ny fanatanjahantena, raha...
  • HETSIKA MOMBA NY FITATERANA : « Nahomby ny SITLM andiany fahatelo », hoy ny mpikarakara Mitàna anjara toerana goavana amin’ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara ny sehatry ny fitaterana amin’ny alalan’ny fivezivezena na anatiny na mankany ivelany indrindra amin’ny fanondranana entana vokarina eto an-toerana. Andro...
  • PUBLI-reportage UNIVERSITY TECHNOLOGY DTS.LICENCE.MASTER I.MASTER II 038.38.138.38/037.02.037.02/033.33.633.77 Mention : Communication – Gestion. Diplômes agréés, habilités avec la FOP Cours en classe, en ligne, regroupement na mampianatena amin’ny boky Technology and sciences...
  • UNIVERSITY TECHNOLOGY 038.38.138.38 UNIVERSITY TECHNOLOGY DTS.LICENCE.MASTER I.MASTER II MENTION:COMMUNICATION.GESTION Hanohy fianarana ambony, hampiakatra karama sy toerana : reclassement.Cours en classe, en ligne, regroupement, mampianatena @ boky. Diplômes agréés, habilités avec la FOP Technology...

ZOMA MASINA :

ZOMA MASINA :

ZOMA MASINA :
avril 18
16:43 2020


MISAOTRA ANAO IZAHAY RY TOMPO AMIN’NY EZAKY NY FITONDRANA HIARO ANAY AMIN’NY ARETI-MANDOZA SY NY EZAKY NY VAHOAKANAO MIADY AMIN’NY TSY RARINY SY NY TSINDRIHAZOLENA.
– Zoma Masina : Fankalazana ny Fitiavan’Andriamanitra ny olombelona tamin’ny alalan’ny nijaliana sy nahafatesan’i Jesoa Kristy izay sady olombelona no Andriamanitra. Anio ihany koa no manomboka ny vavaka hasivinandron’ny vavaka Famondrampon’Andriamanitra izay hifarana ny alahady aorian’ny Paka ny ho fankalazana izany.
– Enga anie mba hitondra famonjena ho anay any amin’ny Mandrakizay sy fahasambarana, fahasalamana ho anay ety an-tany ny Fitiavanao lehibe indrindra izay nahafoy ny ainao ho an’izao tontolo izao ampihorohoroan’ny coronavirus.
Vavaka Fangatahana
Andriamanitra ô, ny Fijalian’i Jesoa Kristy Tomponay no
nanafoananao ny fahafatesana lova nifandimbiasan’ny
taranaka rehetra noho ny fahotana tamin’ny fototra; koa
ataovy manahaka an’i Jesoa Kristy izahay mba ho toy ny
nitondranay tsy fidiny ny endriky ny tany niavianay no
handraisanay ny endriky ny lanitra noho ny hasin’ny
fahasoavanao.
Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.
V. Amen.
FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
*VAKINTENY MASINA VOALOHANY*
Bokin’i Izaia Mpaminany
Iz. 52, 13 — 53, 12
Noratraina Izy noho ny fahotantsika.
Izao no tenin’ny Tompo: Indro fa hambinina ny Mpanompoko,
hitombo, hankalazaina ary ho tafasandratra indrindra. Toy ny
nigagan’ny maro nahita Azy, — fa rava Endrika loatra Izy, ka
ny Tarehiny efa hoatra ny tsy tarehin’olombelona intsony; ary
ny Tavany efa hoatra ny tsy tavan-janak’olombelona intsony,
— no hampiontanany firenena maro.
Hitampim-bava eo anatrehany ny mpanjaka, satria hahita ny
tsy mbola nolazaina taminy, sy handre ny tsy mbola reny. Iza
no nino izay renay, ary iza no nanehoana ny sandrin’ny
Tompo? Fa nisondrotra teo anatrehany Izy, tahaka ny hazo
madinika marefo, tahaka ny solofon-kazo mitsiry amin’ny
tany karankaina; tsy nanana endrika na hatsaran-tarehy
nanaitra ny masontsika; na bika namelona ny fitiavantsika.
Noesorina sy nilaozan’ny olona Izy, olona ory sady zatra ny
fijaliana; hoatra ny zavatra hisaronan’ny olona tava; natao
faneso sy tsy nahoantsika velively.
Marina tokoa fa ny aretintsika no nentiny, ary ny
fahoriantsika no nivesarany; ary isika anefa nijery Azy ho
olom-boasazy, nokapohin’Andriamanitra sy naetry. Kanefa Izy
nolefonina noho ny fahotantsika, notorotoroina noho ny
helotsika; nasiana ny famaizana nahazoantsika fihavanana;
ary ny ratra taminy no nahasitrana antsika. Efa mpaniasia toy
ny ondry avokoa isika, samy nanaraka ny lalany avy isika, ary
nazeran’ny Tompo taminy avokoa ny helotsika rehetra.
Vonoina Izy ary mandefitra, tsy miloa-bava akory Izy; tahaka
ny zanak’ondry entina hovonoina, tahaka ny ondry vavy eo
anatrehan’izay manety azy; tsy miloa-bava akory. Noesorina
Izy noho ny fampahoriana sy ny fitsarana; ary iza moa
tamin’ireo niara-belona taminy, no mba nihevitra fa
nofongorana eo amin’ny tanin’ny velona Izy, ary nozoin-doza
noho ny fahotan’ny vahoakako? Natao hiray fasana tamin’ny
ratsy fanahy Izy, ary eo amin’ny mpanan-karena nony efa
maty, nefa tsy mba nanao ny tsy marina, ary tsy mba nisy
fitaka teo am-bavany.
Sitraky ny Tompo ny nanorotoro Azy tamin’ny fijaliana, nefa
rehefa voaatitry ny fanahiny ny sorom-panonerana dia hahita
taranaka Izy, ho lava andro hiainana, ary hambinina eo an-
tanany ny hevitra nokasain’ny Tompo. Noho ny fijalian’ny
fanahiny, dia hahita Izy, ka ho afa-po. Ilay marina,
Mpanompoko noho ny fahalalany, hanamarina olona betsaka
ary ny Tenany hivesatra ny helok’ireo. Noho izany, homeko
anjara eo amin’ny lehibe Izy; ary hiara-mizara babo amin’ny
mahery; satria nanolotra ny ainy ho faty Izy sady natao
isan’ny mpanao ratsy; ary ny Tenany no hitondra ny
fahotan’ny maro, sady hanao fifonana ho an’ny mpanota.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie
Andriamanitra!
Salamo fandinihana
Sal. 30, 2. 6. 12-13. 15-16. 17 sy 25
Fiv.: Ray ô, apetrako eo am-pelatananao ny fanahiko.
Ianao, ry Tompo, no ifefeko: tsy mba ho azon-kenatra aho.
Hanavotra ahy Ianao fa marina, apetrako an-tananao ny aiko,
ry Tompo Andriamanitra Mpanavotra ahy!
Ny rafiko rehetra mandatsa, ny miara-monina efa tofoka, ny
olom-pantatra tsiravina, izay tojo ahy mandositra avokoa;
hadinon’ny fo mova tsy ny maty aho, tsy asiana antony
ohatra ny fako.
Fa izaho, ry Tompo, mifefy aminao! Ianao, hoy aho, no
Andriamanitro, an-tananao ny androko, afaho amin’ny
haromotany aho.
Endrika mitsiky aseho ahy, vonjeo aho noho ny fitiavanao!
Mahereza! Ny fo hatanjaho, ianareo izay matoky ny Tompo!
*VAKINTENY MASINA FAHAROA*
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio
Heb. 4, 14-16 ; 5, 7-9
Nianatra ny Fanekena Izy, ka tonga fototry ny famonjena ho
an’izay manaiky Azy.
Ry kristianina havana, noho isika manana Mpisorona lehibe
izay lasa namaky ny lanitra, dia i Jesoa Zanak’Andriamanitra,
dia aoka hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika. Satria
tsy mpisorombe tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika
no antsika; fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin’ny
zavatra rehetra Izy, afa-tsy ny fahotana. Koa aoka isika
hanatona ny fiketrahan’nybv fahasoavana amim-pitokiana, mba
hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary
hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany.
Fa tamin’ny andron’ny nofony i Kristy, nony nanolotra
fivavahana fifonana nombàm-pitarainana mafy sy ranomaso
be, tamin’ilay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana, sady
nohenoiny noho ny fahatahorany an’Andriamanitra, dia
nianatra ny fanekena tamin’ny fahoriana niaretany, na dia
Zanaka aza; ary ankehitriny, efa tonga amin’izay fanaperana
Izy, ka tonga fototry ny famonjena mandrakizay ho an’izay
manaiky Azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie
Andriamanitra!
Fihobiana ny Evanjely
Voninahitra sy dera ho Anao, ry Kristy.
Nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana ho antsika ivv
Kristy, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany
kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy, ary
nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra.
Voninahitra sy dera ho Anao, ry Kristy.
*VAKITENY MASINA FAHATELO*
Fijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika nosoratan’i Md. Joany
Jo. 18, 1-40; 19, 1-42
(M = Mpitantara; V = Vahoaka; J = Jesoa)
M. Tamin’izany andro izany, dia lasa i Jesoa sy ny mpianany
nankany andafin’ny riakan’i Sedrôna, izay nisy saha anankiray
nidiran’Izy sy ny mpianany. Fantatr’i Jodasy ilay namadika
Azy koa io toerana io, satria falehan’i Jesoa sy ny mpianany
matetika. Ka nony voarainy ny antoko-miaramila iray sy ny
mpiandry raharaha avy amin’ny lohandohan’ny mpisorona sy
ny Farisianina, dia nankao izy nitondra fanala sy fanilo ary
fiadiana. I Jesoa tamin’izany, dia efa nahalala rahateo izay
rehetra hanjo Azy, ka nitsena azy ireo sy nanao taminy hoe:
J. Iza no tadiavinareo?
M. Dia hoy ny navalin’izy ireo Azy:
V. I Jesoa avy any Nazareta.
M. Ka hoy i Jesoa taminy:
J. Izaho no Izy.
M. Eo koa izany i Jodasy ilay namadika Azy. Vao nilazan’i
Jesoa hoe: Izaho no Izy, dia nianòtra izy ireo ka niankarapoka
tamin’ny tany. Fa nanontany azy indray i Jesoa nanao hoe:
J. Iza no tadiavinareo?
M. Dia hoy izy ireo:
V. I Jesoa avy any Nazareta. Ka novalian’i Jesoa hoe:
J. Efa voalazako taminareo fa Izaho no Izy; koa raha Izaho no
tadiavinareo, dia avelao handeha ireto.
M. Izy no nilaza izany dia ny mba hahatanteraka ny teny
voalazany hoe: “Tsy nisy very izay nomenao Ahy na dia iray
aza”. Ary nanan-tsabatra i Simôna Piera ka notsoahiny, dia
nasiany ny mpanompon’ny lehiben’ny mpisorona, ka afaka
tery ny sofiny an-kavanana. Malkosy no anaran’ilay
mpanompo. Fa hoy i Jesoa tamin’i Piera:
J. Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao; tsy hosotroiko va
ny kapoaka nomen’ny Ray Ahy?
M. Tamin’izay ny antoko-miaramila sy ny tompon’arivo ary ny
mpiandry raharaha nirahin’ny Jody, dia nisambotra an’i Jesoa
ka namatotra Azy. Tany amin’i Ana aloha no nitondrany Azy
fa io no rafozan’i Kaifa izay lehiben’ny mpisorona tamin’izany
taona izany. Ary i Kaifa kosa no nanome saina ny Jody hoe:
“Mahasoa raha maty ho an’ny vahoaka ny lehilahy
anankiray”. Nanaraka an’i Jesoa tamin’izany i Piera sy ny
mpianatra anankiray hafa, ary fantatry ny lehiben’ny
mpisorona ilay mpianatra anankiray, ka niara-niditra tamin’i
Jesoa tao antokotanin’ny lehiben’ny mpisorona. Fa i Piera
kosa nijanona tany ivelany tao akaikin’ny vavahady. Dia
nivoaka ilay mpianatra izay fantatry ny lehiben’ny mpisorona,
ka niteny tamin’ny vehivavy mpiandry vavahady, ary
nampiditra an’i Piera. Fa hoy ity ankizy vavy mpiandry
vavahady tamin’i Piera:
V. Moa tsy isan’ny mpianatr’io Lehilahy io koa va ianao?
M. Ary hoy izy:
V. Tsia.
M. Nangatsiaka ny andro tamin’izay, ka nipetraka namindro
teo amin’ny afo ny mpanompo sy ny mpiandry raharaha, ary
dia mba niara-namindro taminy teo koa i Piera. Ary ny
lehiben’ny Mpisorona nanadina an’i Jesoa ny amin’ny
mpianany sy ny fampianarany, ka hoy i Jesoa namaly azy:
J. Niteny am-pahibemaso tamin’ny olona rehetra Aho, ary
nampianatra mandrakariva tao amin’ny sinagôga sy ny
Tempoly, izay ivorian’ny Jody rehetra, fa tsy nilaza na inona
na inona an-takona; ka ahoana no anontanianao Ahy? Ireo
nihaino Ahy no anontanio izay voalazako taminy, fa ireo no
mahalala izay nampianariko.
M. Nony nilaza izany i Jesoa dia nasian’ny mpiandry raharaha
anankiray tehamaina, sy nataony hoe:
V. Izany ve no famalinao ny lehiben’ny Mpisorona?
M. I Jesoa namaly azy hoe:
J. Raha ratsy ny teniko, lazao izay ratsy; fa raha tsara ihany
kosa, nahoana no dia mamely Ahy ianao?
M. Dia nasain’i Ana nentina am-patorana ho any amin’i Kaifa
lehiben’ny mpisorona Izy. Ary i Simôna Piera nijanona
namindro teo koa, ka nisy nanao taminy hoe:
V. Moa tsy isan’ny mpianany koa va ianao?
M. Fa nandà izy nanao hoe:
V. Tsia.
M. Dia hoy koa ny anankiray tamin’ny mpanompon’ny
lehiben’ny mpisorona izay havan’ilay notapahin’i Piera sofina:
V. Tsy ianao va ilay hitako niaraka taminy tao anaty saha?
M. Fa nandà indray i Piera, ary niaraka tamin’izay dia nian
akoholahy naneno. Dia nentiny niala tao amin’i Kaifa i Jesoa
ho any amin’ny tranon’ny Governora. Efa maraina ny andro
tamin’izay. Tsy niditra tao an-trano anefa izy ireo, fandrao
voaloto ka tsy afaka mihinana ny Paka. Koa i Pilaty no
nivoaka nanatona azy ireo teob alatrano, nanao hoe:
V. Inona no iampanganareo io Lehilahy io?
M. Dia hoy ny navalin’izy ireo azy:
V. Raha tsy mpanao ratsy Izy dia tsy natolotray anao.
M. Ka hoy i Pilaty taminy:
V. Ento Izy, ka tsarao araka ny lalànareo.
M. Fa hoy ny Jody namaly azy:
V. Tsy manam-pahefana hanamelon-ko faty izahay.
M. Izany no tonga dia mba hahatanteraka ny tenin’i Jesoa
momba ny fahafatesana hanjo Azy. Dia niditra tao an-trano i
Pilaty, ka niantso an’i Jesoa sy nanao taminy hoe:
V. Moa Mpanjakan’ny Jody va Ianao?
M. I Jesoa namaly hoe:
J. Anao samy irery izany teny izany, sa an’olonkafa nilaza
Ahy taminao?
M. Dia namaly i Pilaty nanao hoe:
V. Fa izaho angaha Jody? Ny firenenao sy ny mpisoronao no
nanolotra Anao tamiko, ka inona no nataonao?
M. I Jesoa namaly hoe:
J. Tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako: fa raha
anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako, dia ho niady ny oloko,
ka tsy ho voarain’ny Jody Aho, fa tsy anisan’izao tontolo izao
ny Fanjakako.
M. Dia hoy i Pilaty taminy:
V. Koa Mpanjaka izany Ianao?
M. Ary novalian’i Jesoa hoe:
J. Efa voalazanao, Mpanjaka Aho. Teraka Aho, sy tonga tety
an-tany mba hanambara ny marina, ka izay rehetra
mpanaraka ny marina, dia mihaino ny feoko.
M. Dia hoy i Pilaty taminy:
V. Inona ny marina?
M. Fa nony voalazany izany, dia nivoaka nankeo amin’ny
Jody indray izy ka nanao tamin’ireo hoe:
V. Raha izaho, dia tsy mahita izay helony na dia iray aza. Fa
araka ny fanao amin’ny Paka, dia mandefa olo-meloka izay
tianareo aho, koa tianareo ve ny handefasako ny
Mpanjakan’ny Jody?
M. Fa nihorakoraka indray izy rehetra ka nanao hoe:
V. Tsy Izy, fa i Barabasy.
M. Kanefa jiolahy i Barabasy. Tamin’izay nalain’i Pilaty i
Jesoa ka nasainy nokapohina. Dia nandrandrana fehiloha tsilo
ny miaramila ka nasatrony ny lohany, ary nampitafiany
kapaoty jaky Izy. Raha efa izany, dia nanatona Azy izy ireo,
ka sady namely tehamaina Azy no nanao hoe:
V. Arahaba, ry Mpanjakan’ny Jody.
M. Dia nivoaka indray i Pilaty ka nanao tamin’ny Jody hoe:
V. Indro Izy entiko manketo aminareo, mba ho fantatrareo fa
tsy hitako mihitsy izay helony na dia iray aza.
M. Tamin’izay nivoaka i Jesoa nisatroka fehiloha tsilo sy
nitafy kapaoty jaky, ka hoy i Pilaty tamin’ny Jody:
V. Indro ny Lehilahy.
M. Nony nahita Azy ny lohan’ny mpisorona sy ny mpiandry
raharaha, dia niantso nanao hoe:
V. Fantsiho, fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy.
M. Fa hoy i Pilaty tamin’izy ireo:
V. Ento àry Izy, ka fantsihonareo, fa izaho tsy mahita izay
helony.
M. Dia hoy ny Jody namaly azy:
V. Manana lalàna izahay, ary araka ny lalànay, dia tsy
maintsy vonoina Izy, satria manao ny Tenany ho
Zanak’Andriamanitra.
M. Nandre izany i Pilaty, vao mainka natahotra. Ary niditra
tao an-trano indray izy, ka nanao tamin’i Jesoa hoe:
V. Avy aiza moa Ianao?
M. Fa tsy namaly azy i Jesoa. Ka hoy i Pilaty taminy:
V. Izaho indray ve no tsy itenenanao? Tsy fantatrao angaha
fa sady manam-pahefana handefa Anao aho, no manam-
pahefana hamantsika Anao amin’ny Hazofijaliana koa?
M. Dia namaly i Jesoa hoe:
J. Tsy hanam-pahefana amiko ianao, raha tsy nomena anao
avy any ambony izany, koa izay nanolotra Ahy taminao no
meloka kokoa noho ianao.
M. Hatramin’izay dia nitady handefa Azy i Pilaty. Fa
nantsointsoin’ny Jody hoe:
V. Raha mandefa an’io ianao, dia tsy mba sakaizan’i Sezara,
satria izay manao ny tenany ho mpanjaka dia mitsangan-
kanohitra an’i Sezara.
M. Nony nandre izany teny izany i Pilaty, dia nitondra an’i
Jesoa nivoaka, ka nipetraka teo amin’ny fitsarana, eo amin’ny
fitoerana atao hoe: Litôstrôtôs (lalam-bato), na Gabatha
amin’ny teny hebrio. Andro fiomanana amin’ny Paka
tamin’izay, ary tokony ho tamin’ny ora fahenina dia izao no
nolazain’i Pilaty tamin’ny Jody:
V. Indro ny Mpanjakanareo.
M. Fa niantsoantso izy ireo nanao hoe:
V. Esory, esory, fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy.
M. Ka hoy i Pilaty taminy:
V. Dia hofantsihako amin’ny Hazofijaliana ve ny
Mpanjakanareo?
M. Fa hoy ny lohan’ny mpisorona hoe:
V. Izahay tsy mana-mpanjaka afa-tsy i Sezara.
M. Tamin’izay dia natolony azy hofantsihana i Jesoa, ka
noraisin’izy ireo Izy dia nentiny. Nentin’i Jesoa ny
Hazofijaliana, dia tonga teo amin’ny toerana atao hoe Kalvery
Izy (Ankarandoha), na hoe Gôlgôtà amin’ny teny hebrio. Teo
no namantsihany Azy tamin’ny Hazofijaliana, niaraka tamin’ny
roa lahy hafa koa izay nofantsihana teo an-daniny roa fa i
Jesoa teo ampovoany. Ary nanao soratra i Pilaty, napetany
teo andohan’ny Hazofijaliana, ka izao no vàkiny: JESOA AVY
ANY NAZARETA MPANJAKAN’NY JODY.
M. Betsaka ny Jody namaky io soratra io, fa akaikin’ny
tanàna ny toerana namantsihana an’i Jesoa, sady vita
tamin’ny teny hebrio sy grika ary latinina ny soratra. Ka hoy
ny mpisoron’ny Jody tamin’i Pilaty:
V Aza atao hoe mpanjakan’ny Jody, fa hoe: Izy nilaza hoe:
Mpanjakan’ny Jody Aho.
M. Fa hoy i Pilaty hoe:
V. Izay voasoratro, dia voasoratro.
M. Rehefa voafantsiky ny miaramila tamin’ny Hazofijaliana
Izy, nalainy ny fitafiany ka nozarainy efatra, dia samy nanana
ny anjarany avy izy; toy izany koa ny akanjony rebareba.
Saingy tsy nizaitra kosa ny akanjony, fa tenona iray ihany,
hatrany ambony ka hatrany ambany, ka nifampilaza izy ireo
hoe:
V. Aoka tsy horovitintsika ity, fa aoka hilokantsika, dia ho
lasan’izay hahazo ny loka.
M. Koa tanteraka tamin’izany ny Soratra Masina manao hoe:
Nozarainy ny fitafiako ary nilokany ny akanjoko. Dia izany no
nataon’ny miaramila. Ary nitsangana teo akaikin’ny
Hazofijalian’i Jesoa ny Reniny sy ny rahavavin-dreniny, dia i
Maria vadin’i Kleofasy ary i Maria Madalenina. Nony hitan’i
Jesoa ny Reniny sy ilay mpianany malalany nitsangana teo
akaikiny, dia hoy Izy tamin-dreniny;
J. Ravehivavy, indro ny zanakao.
M. Ary hoy Izy tamin’ilay mpianany:
J. Indro ny Reninao.
M. Ka hatramin’izay dia noraisin’ilay mpianatra ho any aminy
izy. Nony afaka izany, dia fantatr’i Jesoa, fa efa tanteraka ny
zavatra rehetra, ka hoy Izy, mba hahatanteraka ny Soratra
Masina:
J. Mangetaheta Aho.
M. Ary nisy bakoly feno vinaingitra kosa teo, ka nalainy ny
spônjy, novontosana vinaingitra, sy notohizana tamin’ny hazo
hisôpy, dia natohoka teo am-bavany. Vao nanandrana ny
vinaingitra Izy, dia nanao hoe:
J. Tanteraka ny zavatra rehetra.
M. Dia nanondrika ny lohany Izy ka niala aina.
(mandohalika mivavaka mangina kelikely)
M. Ary andro fiomanana tamin’izay, ka nangataka tamin’i
Pilaty ny Jody, mba hotapahina ny ranjon’izy ireo, dia
hoesorina, mba tsy hisy faty mihantona amin’ny hazofijaliana
amin’ny andro sabata (fa andro lehibe izany sabata izany).
Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon’ny voalohany,
sy ny an’ilay anankiray niara-nofantsihana taminy koa; fa
nony nankeo amin’i Jesoa izy ireo, dia hitany fa efa maty
sahady Izy, ka tsy mba notapahiny ny ranjony. Fa
nolefonin’ny miaramila anankiray kosa ny Fony, ka nisy ra sy
rano nivoaka niaraka tamin’izay. Ary ilay nahita no milaza, ka
marina ny filàzany, sady fantany fa milaza ny marina izy, mba
hinoanareo koa. Ary izany no tonga dia mba hahatanteraka ny
Soratra Masina hoe: “Tsy hisy hotapahina ny taolany, na dia
iray aza”. Ary hoy indray koa ny Soratra Masina: “Hijery izay
nolefonina izy”. Rehefa afaka izany, i Jôsefa avy any
Arimatia, izay mpianatr’i Jesoa an-tsokosoko, noho ny
fahatahorany ny Jody, dia nangataka tamin’i Pilaty, mba haka
ny fatin’i Jesoa, ka neken’i Pilaty izany. Dia lasa izy naka ny
fatin’i Jesoa. Ary tonga koa i Nikôdema, ilay nanatona an’i
Jesoa nony alina, tamin’ny voalohany, nitondra mira sy alôesy
nampifangaroina, tokony ho zato livatra. Koa nalainy ny fatin’i
Jesoa, dia nasiany zava-manitra, sy nofonosiny lamba araka
ny fanaon’ny Jody amin’ny fandevenana. Nisy saha anankiray
kosa teo amin’ny toerana namantsihana an’i Jesoa, ary nisy
fasana vaovao tsy mbola nandevenana olona tao anatin’ilay
saha. Ka noho ny maha-andro fiomanan’ny Jody tamin’izay,
dia tao no nandevenany an’i Jesoa, satria akaiky ny fasana..
Izany àry ka ankalazako ny Tenin’ny Tompo…dera anie ho
Anao ry Kristy
Ny Teny voalazan’ny Vaovao Mahahaly teo anie hanafaka ny
fahotako. Amen
 »Efa madio hianareo izao, noho ny fampianarana nataoko
taminareo » Md Joany 15,3

Articles similaires

0 Commentaire

Aucun commentaire sur cet article!

Soyez le premier à commenter!

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930