Madatopinfo

 Flash Info

HETSIKA VOATRA ANDIANY FAHA-11: Mpandray anjara miisa 60 no voafantina

HETSIKA VOATRA ANDIANY FAHA-11: Mpandray anjara miisa 60 no voafantina

HETSIKA VOATRA ANDIANY FAHA-11: Mpandray anjara miisa 60 no voafantina
septembre 17
07:00 2024

Raha tamin’ny herintaona ny fanamarihana ny fahafolo taona nisian’ny  » Salon Voatra  » izay karakarain’ny Antenimieran’ny varotra dy info Antananarivo (CCIA), izay niompana tamin’ny jery todika nandritra ny 10 taona. Ny 2 ka hatramin’ny 5 Oktobra hoavy izao kosa no hanatanterahana ny andiany faha-11 iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka, isan’ireo ny orinasa malagasy Telma Madagascar. Eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina kosa no hanatontosana izany. Araka ny fampahafantarana nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety, omaly, teny amin’ny CCIA Antaninarenina, nofantenana ireo mpandray anjara ka ny 60 no voasafidy tamin’izany ary ny 10 kosa mpanohana. Isan’ny nisafidianana azy ireo ny kalitaon’ny asa famoronana sy amin’ny maha orinasa malagasy azy.  » Hampiavaka ny Voatra andiany faha-11 ny fisitrahan’ireo mpandray anjara fiofanana maimaim-poana, eo ihany koa ny valan-dresaka dy atrikasa ahitana lohahevitra samy hafa sy ny fifaninanana « , hoy ny Directeur d’appui aux entreprises CCIA, Maholy Andriamanantenasoa.
Ho an’ny Telma Madagascar, mifanojo ny vina eo amin’ny roa tonta noho ny Telma manandratra sy mapiroborobo ny vita malagasy.  » Tsy mionona fotsiny amin’ny maha orinasan-tserasera sy fifandraisan-davitra ny Telma, fa mandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ara-toekarena, toa izany ihany koa ny fanomezana sehatra ny mpandraharaha madinika sy salantsalany », hoy ny tompon’andraikitra misahana ny serasera eo anivon’ny Telma, Henintsoa Randrianjatovonarivo.
Nohamafisin’ny Filohan’ny CCIA, Rivo Rakotondasanjy moa fa tsy misy ny vidim-pidirana ho an’ireo maniry ny hitsidika ny Voatra mandritra ireo 4 andro ireo.

M.R

Articles similaires

octobre 2024
L M M J V S D
 123456
78910111213
14151617181920
21222324252627
28293031