Madatopinfo

 Flash Info

FIFIDIANANA LOHOLONA: Vonona hanefa ny adidiny ny fikambanana AJMA

FIFIDIANANA LOHOLONA: Vonona hanefa ny adidiny ny fikambanana AJMA

FIFIDIANANA LOHOLONA: Vonona hanefa ny adidiny ny fikambanana AJMA
octobre 11
10:00 2020

« Isika rehetra miara-mandroso », io no teny filamatry ny AJMA na Association des Jeunes Maires Analamanga. Fikambanana izay ivondronan’ireo Ben’ny Tanàna sy Mpanolontsaina Kaominaly miisa 100 mahery amin’ireo 140 eto amin’ny Faritra Analamanga. Notanterahana ny zoma 9 Oktobra lasa teo teny amin’ny Hotel Carlton Anosy ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny fitsanganan’ity fikambanana ity. Nandritra izany no nanambaran’ny Filohan’ny AJMA sady Ben’ny Tanàna eo anivon’ny Kaominina Andoharanofotsy, Henintsoa Rakotoarimanana fa vonona ny hiatrika fifidianana Loholon’i Madagasikara izay hotanterahana ny 11 Desambra ho avy izao izy ireo. ‘Ny AJMA dia tsy nifidianana firehana politika velively fa kosa mitovy fomba fijery eo amin’ny lafiny ara-pirenena amin’ny ankapobeny sy ny fampandrosoana ny Kaominina tsirairay. Noho izany dia mahatsiaro ho tompon’andraikitra feno izahay amin’izany fifidianana Loholona izany », hoy hatrany ny Filohan’ny AJMA. Ankoatra izay, isan’ny tanjona nijoroan’ny fikambanana ihany koa ny fifampizarana traikefa eo amin’ny samy mpikambana. Isan’ireo tonga nanatrika io lanonana io tamin’izany moa ny Filoha lefitra nasionalin’ny vondrona TGV MAPAR, Augustin Andriamananoro sy ny Filohan’ny Antoko AVI, Norbert Lala Ratsirahonana.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930