Madatopinfo

 Flash Info

KOPAKELATRA: Ny tetikasa « Crédit Carat » no nandrombaka ny amboara 2020

KOPAKELATRA: Ny tetikasa « Crédit Carat » no nandrombaka ny amboara 2020

KOPAKELATRA: Ny tetikasa « Crédit Carat » no nandrombaka ny amboara 2020
septembre 09
06:30 2020

Nandritra ny roa herinandro no niatrehan’ny mpifaninana anankiroa, Andao Company sy Crédit Carat ny dingana famaranana momba ilay fifaninanana tetikasa miompana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana izay nokarakarain’ny Kopakelatra ao amin’ny vondrona Star. Nifarana ny fifidianana ary nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly maraina teny amin’ny Foiben’ny Star Andraharo ny vokatra ofisialy izay natrehan’ny Commissaire au jeux. « Mihoatra ny 800.000 ny isan’ny kaonty facebook nahita ny fifidianana raha toa ka mihoatra ny 57.000 kosa ny fitambaran’ireo nifidy sy nizara ny fifidianana nanomboka ny 25 Aogositra, andro nanombohana ny fifidianana », hoy ny fanazavana avy amin’ny mpikarakara. Nambara ampahibemaso nandritra izany fa ny tetikasa Crédit Carat no naharesy lahatra ny mpifidy ka nibata ny fandresena tamin’ity taona 2020 ity. Hahazo ilay famatsiam-bola mitentina 20.000.000 ariary avy amin’ny Kopakelatra miampy fiofanana ao amin’ny Nexta ho enti-manatanteraka ny tetikasany araka izany ny Crédit Carat. Ity tetikasa nahazo ny laharana voalohany ity moa dia hitondra vahaolana mikasika ny fiparitahan’ny fako plastika eto amintsika, atakalo ho « crédit » ny plastika voaangona ary ahafahana misitraka tolotra maro avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy. « Antony nanaovana ity fifaninanana ity dia ny mba ahafahana manampy ny olona ny vondron’olona izay manana tetikasa ahasoa ny mpiara-belona eto Madagasikara na eo amin’ny sehatra ara-toekarena izany na sosialy na ihany koa eo amin’ny lafiny tontolo iainana », hoy ny serasera eo anivon’ny Star. Tsiahivina fa nahatratra 48 no isan’ny mpandray anjara teny am-boalohany ary nandalo dingana sy sivana maro vao tonga amin’izao fandresen’ny Crédit Carat izao. Mbola maro ihany koa ny miandrandra ny hitohizan’ny andiany manaraka indray.

Mickah

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031