Madatopinfo

 Flash Info

ESTIIM’: Ankizy 300 mahery no voakasiky ny tetikasa « Mizara hafaliana 2020 »

ESTIIM’: Ankizy 300 mahery no voakasiky ny tetikasa « Mizara hafaliana 2020 »

ESTIIM’: Ankizy 300 mahery no voakasiky ny tetikasa « Mizara hafaliana 2020 »
décembre 21
06:10 2020

Toy ny fanao isan-taona, tsy nanadino ireo ankizy sahirana ny mpianatra L1 (2020-2021) eo anivon’ny Sekoly ambony ESTIIM’ (Engineering School of Tourism, Informatics, Interpretership and Management) tamin’ny alalan’ny tetikasa antsoina hoe: « ESTIIM’ Mizara hafaliana ». Ny sabotsy 19 desambra lasa teo teny amin’ny Foibeny Immeuble Cenam 67 Ha Atsimo, nampiravoravo sy nikarakara ny ankizy 4 hatramin’ny 10 taona mihoatra ny 300 mianadahy ireo mpianatra ireo nandritra ny tapak’andro. Samy nahazo kilalao, koba aina, vatomamy sy bisky avokoa ny ankizy tsirairay amin’izao ankatoky ny fankalazana ny Noely sy ny faran’ny taona izao. Ankoatra izay, nisy ihany koa ny fampianarana sy fanentanana ny kilonga madinika momba ny fahadiovana sy fidiovana ka notolorana savony tsirairay avy ihany koa. Nosafidiana manokana ny Fokontany Andohatapenaka II sy Antetezana afovoany I tamin’ity andiany 2020 ity noho ireo toerana ireo isan’ny be fianakaviana marefo eto Antananarivo renivohitra.


Niavaka ny hetsika

Tamin’ity desambra ity, nampiavaka ny « ESTIIM’ Mizara hafaliana » ny fisian’ireo fanentanana isan-karazany toy ny fakàna sary niaraka tamin’ny dadabe Noely, teo koa ny hirahira sy dihy manamarika ny krimasy, ary tsy adino ny hazonoely feno ravadravaka sy jirokely maro loko mirehitra. « Ity tetikasa ity dia entinay mahafantatra ny adidy aman’andraikitra amin’ny mpiara-belona sy ny manodidina anay ary isan’ny tanjona ny hampandraisana anjara sahady ny mpianatra tsirairay amin’ny lafiny ara-tsosialy sy ny fikarakarana hetsika », hoy Rakotobe Fanirinirina Cheylla Valérie, kilasy L1 manaraka ny lalam-piofanana Sciences de l’Interprétariat, de l’Information et de la Communication ao amin’ny ESTIIM’. Fisaorana mitafotafo no natolotr’ireo ankizy nahazo fanomezana ireo manoloana izao fizarana hafaliana goavana notanterahan’ireto tanora ireto izao ary tsy nahatsapa irery izy ireo fa misy miahy sy manohana indrindra amin’ny vanim-potoana tahaka izao.


Mpianatra mandray andraikitra

Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana ao amin’ity oniversite tsy miankina ity ny tetikasa « Socioculturelle » ary ahazoan’ny mpianatra naoty mihitsy. Ity hetsika ity no tanteraka araka izany, dia teo ny fitadiavana « sponsoring » sy ny latsakemboka izay nandraisan’ireo mpianatra L1 andiany 2020-2021 manodidina ny 70 mianadahy anjara. Tan-tsoroka avy amin’ny sekoly kosa ny torolalana sy hevitra ahafahan’ny mpianatra manatontosa izany. Ny ESTIIM’ ihany koa moa dia misokatra hatrany amin’ ny fiaraha-miasa, na ho an’ireo orinasa na sehatra tsy miankina samy hafa maniry ny hifanolo-tanana azy ireo amin’ny hetsika tahaka izao hanasoavana ny mpiray tanindrazana marefo.

Mickah R.

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031