Madatopinfo

 Flash Info

FANDEFASANA VOLA ATY MADAGASIKARA: Efa azo raisina amin’ny MVola ny Taptap Send

FANDEFASANA VOLA ATY MADAGASIKARA: Efa azo raisina amin’ny MVola ny Taptap Send

FANDEFASANA VOLA ATY MADAGASIKARA: Efa azo raisina amin’ny MVola ny Taptap Send
juin 19
16:30 2023

Amin’ireo mpikirakira ny tolotra MVola manodidina ny 10 tapitrisa manerana ny Nosy, efa azon’izy ireo atao ny mandray vola avy any amin’ny tapaka sy namana any ivelany amin’ny alalan’ny Taptap Send Madgascar. Belgique, Frantsa, Allemagne, Italie, Pays-Bas, Portugal, Espagne, Royaume-Uni, Canada, USA ary Emirats Arabes Unis ireo firenena afaka mandefa vola amin’ny kaonty MVola aty Madagasikara amin’ny Taptap Send. Fomba tsotra, haingana ary azo antoka ity tolotra miaraka amin’ny Taptap Send Madagascar sy MVola ity. Maro ny tombony sitrahan’ireo mpanjifa MVola amin’ny fisian’ity tolotra vaovao ity satria tsy mila mivoaka ny trano sy azo ampiasaina amin’ny fotoana rehetra izany, indrindra ihany koa tsy mila misahirana manakalo intsony fa avy hatrany dia ariary ny vola voaray anaty kaonty MVola, ary tsy miandry ela fa tonga eo noho eo ny vola. Azon’ny mpanjifa maharay ny vola ny mividy fahana na tolotra Telma, mandoha faktiora jiro sy rano sy ny maro hafa. Afaka alaina eny amin’ny masoivoho Pop MVola ihany koa ny vola voaray, na eny anivon’ny Telma Shop, na DAB Société Générale Madagasikara sy ireo Cash points manerana ny Nosy. Raha ho an’ny mpandefa vola indray kosa, dia hahazo kadoa 15€ izy amin’ny fandefasana vola voalohany mankaty Madagasikara. Ahafahana misitraka izany, mila mampiasana ny «application Taptap Send » ilay olona handefa vola, avy eo misafidy avy hatrany ny MVola ny mpandefa, mampiasa Code promo « MVola » ary mihoatra ny 10€ ny vola alefany.
« Faly izahay manampy kokoa amin’ny fampifanatonana ny Malagasy maneran-tany miaraka amin’ny Taptap Send. Fa indrindra koa, faly izahay manolotra ny mpanjifanay ny safidy tsara indrindra amin’ny fandefasana vola avy any ivelany mankaty Madagasikara », hoy ny Tale Jeneraly Lefitra – Mobile Financial Services de Mvola, Heritiana Andrianalisoa nandritra ny fampahafantarana ofisialy ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta izay notanterahina teny amin’ny Kudeta Anosy ny alakamisy 15 Jona lasa teo.

Mickah R.

Articles similaires

juillet 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
293031