Madatopinfo

 Flash Info

M’Kôzy: Tolotra vaovaobe ho an’ny mpanjifa MVola sy Telma

M’Kôzy: Tolotra vaovaobe ho an’ny mpanjifa MVola sy Telma

M’Kôzy: Tolotra vaovaobe ho an’ny mpanjifa MVola sy Telma
septembre 25
06:57 2023

Ho fanomezana fahafaham-po ho an’ny mpanjifa Telma sy MVola, manolotra ny «M’kôzy» izy ireo izay ahitana ny tolotra M’Kaiky sy M’Kôragna. Ho an’ny M’Kaiky, ahahafahan’ny mpanjifa misitraka 1Go internet sy antso mandritra ny 15 minitra amin’ny sarany 4.000 ariary monja. Manankery mandritra ny 48 ora ny tolotra M’Kaiky ary tsy voafetra ny fisoratana anarana raha hisafidy izany. Hahazo tombony ihany koa ireo mpankafy ny tambazotran-tserasera manomboka izao amin’ny alalan’ny M’Kôragna, hahazoana 5Go ahafahana manao Facebook, Messenger, Instagram ary Whatsapp. Manan-kery mandritra ny 7 andro ity tolotra ity amin’ny vidiny 6.000 ariary ary indroa isan-kerinandro no afaka mampiditra ny M’Kôragna.
Tsotra ny fidirana amin’ny tolotra M’kôzy ho an’ireo mpanjifa 034 sy 038, vidiana amin’ny MVola irery ihany izany amin’ny fanendrena ny kaody #111*1*1# ary manaraka ny torolalana na ihany koa mampiasa ny « application MVola ». Tombony ho an’ny mpanjifa MVola sy Telma ny fisian’ity tolotra vaovao be ity noho izy afaka jifaina amin’ny fotoana rehetra (H24/7j). Raha maniry ny hanjifa ny M’kôzy ihany koa kanefa tsy ampy ny ambim-bola anaty kaonty MVola, azon’ny mpanjifa atao ny manantona eny anivon’ny Cash points, Telma Shop na Pop manerana ny Nosy manao ny petra-bola. Afaka mampiasa ny MVola to Bank ihany koa ny mpanjifa izay hahafahana mamindra vola anaty kaonty, tsy mila mivezivezy sy milahatra eny amin’ny banky intsony.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930